23 febroary 2025 — Alahady Tsotra fahafito Mandavantaona — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 27-38)

Betsaka ireo toetra tian’i Jesoa Kristy iainatsika kristianina voarakitra ato anatin’ity Evanjely ity, fa zavatra anankiray no misarika ny saina eto, dia ny fanasany antsika hanao dingana lalindalina kokoa eo amin’ny sehatra ny fitiavana, izany hoe mila mikatsaka ny kalitaon’ny fitiavana isika. Mampiakatra ny kalitaon’ny fitiavana, hoy i Jesoa ny fanehoam-pitiavana ireo mankahala antsika, ny mivavaka ho azy ireo ary ny tsy hihevitra ny hamaly faty azy ireo.

Mampiakatra ny kalitaon’ny fitiavana kristianina ihany koa ny fahafoizan-tena na zavatra na ny fotoana ho an’ny hafa, indrindra ireo ao anatin’ny tokantranonao, ny ankohonam-piainana misy anao sy ireo mpiara-mianatra na mpiara-miasa; mampiakatra ny kalitaon’ny fitiavana ny fikatsahana ny soa ho an’ny hafa, na iza na iza izy tahaka ny ikatsahako soa ho an’ny tenako ihany koa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...