Zoma 24 aprily 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 1-15 — Ny ondriko mandre ny feoko, hoy ny Tompo, fantatro izy ary manaraka ahy.
Tsy mitsahatra ny mitsinjo sy mihantra antsika olombelona Andrimanitra. Fantany izay maha ory sy ilaintsika na rahoviana na rahoviana. Marika izany fa tiantsika Andriamanitra. Tao amin’ny Zanany indrindra Izy no maneho izany fitiavany izany.
Ny fampitomboana ny mofo, tantarain’ny Evanjely tamintsika teo dia endriky ny fitiavan’Andriamanitra antsika manoloana ny hanohanana sy hetaheta manjo ny olombelona sy ireo olana maro misedra ny fiainany. Fa ao anatin’izany kosa no hitarihany antsika haniry Azy Andriamanitra sy hiombona Aminy mandrakariva ary handray sy hivelona izay zarainy amintsika.
Tsy ny hahavoky ny olona maro fotsiny no tanjon’i Jesoa eto fa ny hampiseho amintsika ny TENANY izay mofo nidina avy any an-danitra manala hanohanana sy hetaheta mandrakizay ka hinoan’ny maro sy handraisany Azy mandrakariva.
Ny Eokaristia, nanafarany indrindra ny mpianany, no anoloran’i Kristy ny vatany sy ny ràny. Ny Eokaristia no andraisantsika Azy mofon’ny fiainana, mampiray aina antsika amin’Andriamanitra sy hahavelona antsika ao Aminy. Koa enga anie ho toe-po madio sy mendrika hatrany no handraisantsika an’i Jesoa Eokaristia, sakafo mahavelona mampiombona antsika amin’Andriamanitra.