Talata 21 aprily 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 7-15 — Raha niara-nitsangana tamin'i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin"izay itoeran'i Kristy eo ankavanan'Andriamanitra no katsaho.

0 : 00

Ity Evanjely nambara tamintsika teo ity no maneho ny toerana misy an’i Jesoa vokatry ny fitsanganany ho velona : Zanak’Andriamanitra tonga olombelona ary Mpanalalana antsika olombelona amin’Andriamanitra. Izy tao amin’Andriamanitra, niombom-piainana tanteraka tamin’ny Ray ary mahalala ny zavatry ny lanitra no afaka hampafantatra izany amin’izay mino Azy ; Izy irery ihany koa no afaka hitondra ny olona rehetra ao amin’Andriamanitra.

Ny hazofijaliana no fahatanterahan’ny Iraka nanirahan’ny Ray an’i Kristy teto an-tany. Izy nasandratra teo ambony hazofijaliana no mampiharihary ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao. Izy maty teo amin’ny hazofijaliana no nampita tamintsika olombelona ny ain’Andriamanitra, dia ny fiainana mandrakizay ho an’izay mino Azy.

Enga anie isika mba hiorina mafy ao amin’i Kristy, hino sy hankato ny teniny ary hanao izay hahatanteraka ny fampianarany isan’andro fa IZY IRERY ihany no LALANA TOKANA mankany amin’ny Ray. Jesoa tafatsangan-ko velona ô, aza avela hivily amin’ny lalanao izahay ary ataovy matoky ny herinao, dia ho tonga any amin’ny fonenanao masina izahay rehetra mino Anao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...