14 febroary 2025 — Zoma, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 31-37)

Noforonin’Andriamanitra ho afaka hihaino sy hiteny isika, mba hahafahantsika miaina amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa, ary miaraka Aminy koa. Toy ny amin’ny moana marenina ao amin’ny Evanjely teo, i Jesoa dia momba antsika, ny fitiavany manampy antsika handre, hahasahy miteny... Vaovao Mahafaly lehibe ho antsika rehetra izany.

Henontsika teo ny nataon’i Jesoa teo, nanasitrana ity lehilahy izay moana marenina izy. Ary nisy olona hafa nitondra azy teo Aminy. Ireo olona ireo dia mazava fa olona mahafantatra an’i Jesoa, fantany fa afaka manasitrana. Ary nihaona tamin’i Jesoa àry izy ireo. Ka hita teo fa tsy mandà na iza na iza izy. Manomboka eo dia handeha koa ireo olona ireo hizara izany haren’ny fitiavan’Andriamanitra izany.

Adidintsika krisitianina ny mitondra ny hafa hanatona an’i Jesoa, hihaona Aminy. Izany dia mampahatsiahy antsika fa ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly dia tsy ny fitadiavana fomba vaovao hizarana sy hampianarana foto-pampianarana, fa ny fitarihana ny olona ho eo amin'i Kristy. Ka aoka àry tsy adinointsika na oviana na oviana fa tsy mahavita na inona na inona isika irery, fa i Jesoa no Tompo sy Mpamonjy.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...