Alatsinainy 20 aprily 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 1-8 — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin'ny mazava ; isika izay navotany tamin'ny Rany.

0 : 00

Miorina sy mifototra ao amin’i Jesoa tafantsangan-ko velona ny lalam-piainana sy ny fahasoavana ahatongavan’ny olona rehetra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra, dia ny fiterahana antsika indray amin’ny rano sy ny Fanahy, hahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra sy handovana ny fiainana mandrakizay. Io Batemy amin’ny rano sy ny Fanahy, nambaran’i Jesoa tamin’i Nikôdéma io mantsy no varavarana hidirana amin’ny finoana, hanombohana fiainana vaovao sy iainana ilay Fanahy maha zanaka nantsangan’ny Ray antsika, ary mampiombona anjara antsika amin’ny maha Andriamanitra an’i Jesoa.

Maro amintsika no efa nandray ny Batemy, efa nahatanteraka ilay nambaran’i Kristy ho : “Raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy indray ny olona dia tsy mahazo miditra ny fanjakan’Andriamanitra.” Efa zava-dehibe izany fa tsy maintsy tsaroana mandrakariva dia ny hoe : "Fanomboana ihany ny Batemy fa ny faharetana amin’ny finoana sy fiainana ireo fahasoavana omen’Andriamanitra antsika amin’ny alalan’i Kristy tafatsangan-ko velona no isantarantsika dieny eto an-tany ny fanjakan’Andriamanitra".

Aoka àry tsy ho hadinointsika fa misy toe-piainana sy toe-panahy tokony hiainantsika sy asehontsika isan’andro, mba hizorantsika mankamin’ny fiainana mandrakizay.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...