26 desambra 2024 — Masindahy Étienne, Martiry voalohany — Fety — Hisaorana anie Ilay avy amin’ny Anaran’ny Tompo ; ny Tompo Andriamanitra Mpanazava antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 10, 17-22)
Andro voalohany manaraka ny fankalazana ny fahaterahan’ny Mpamonjy, isika anio, mankalaza koa an’i Masindahy Etienne, maty martiry. Toa efa manampo sahady ny ady hatrehina eo amin’ny fiainana. I Jesoa zazakely vao teraka, dia efa tandidomin-doza sahady ny ainy, ary i Masindahy Etienne, anisan’ireo kristianina voalohany nandray ny finoana sy nanaradia an’i Kristy, novonoina ho faty. Misy tanjona ny fiainana ary ny hahatafita antsika amin’izany indrindra no nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra haka nofo toa antsika.
Fantatr’i Jesoa izao tontolo misy antsika izao ity, fantany koa ny hanjo ireo mpanara-dia Azy amin’ny fanenjehana sy ny fitoriana ataon’olona azy ireo. Fantany izay lalana tsy maintsy ho lalovany hahatanteraka ny famonjena ny olombelona nanirahana Azy, izay lalana tsy maintsy ho diavin’ireo mpianany. Eo indrindra no ilazany sy hanafarany mialoha azy ireo, mba hananany herim-po sy finoana hijoro ho vavolombelony eo amin’izao tontolo izao.
“Tsy ianareo no hiteny fa ny Fanahin’ny Rainanreo no hiteny ao aminareo”, fampanantenana lehibe izany, ilazany sahady fa tsy mamela ny mpianany ho irery Andriamanitra, tsy manampi-maso amin’ny manjo ny zanany Izy, fa miaro sy momba azy ireo hatrany. Izay niainan’i Masindahy Etienne, ankalazain’ny Eglizy anio anefa, dia toa mametraka ao an-tsaintsika kristianina sahady izay miandry antsika, izay hosedraintsika mamakivaky ny taona manotolo. Naterak’Andriamanitra isika mba ho Azy, hikatsaka Azy mandrakariva ary ho tafita any amin’ny fiainana mandrakizay. I Jesoa Zazakely, ankalazaintsika amin’izao Noely izao no mitarika antsika rehetra ho amin’izany, mitondra antsika rehetra miainga eto amin’ity izao tontolo izao misy antsika ity ho tonga any an-danitra.
Tsy maintsy hisy fifanoherana anefa ny fiainana eto amin’izao tontolo izao sy ny fiainana entin’i Kristy. Hisy fifandonana ny fisainan’izao tontolo izao sy ny Evanjely. Anjarantsika kristianina ankehitriny ny mampiharihary ny zava-tsoa entin’Ilay Mpamony, ilay Mpamonjy tonga hanavao ny zavatra, adidintsika ny mijoro ho mpanara-dia Azy marina ka ho sahy hisedra ireo zava-tsrotra noho ny anarany ary haharitra tsy hivadika amin’Andriamanitra.