24 desambra 2024 — Herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Mpanjakan’ny firenena rehetra, avia ary vonjeo ny olona izay noforoninao tamin’ny vovotany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka 1, 67-79

Tononkira nataon’i Zakaria ho fiderana sy ho fisaorana an’Andriamanitra, tamin’ny zava-dehibe nataony taminy ity rentsika teo ity, havaloanandro tao aorian’ny fahaterahan’i Joany Batista. Nambara tamintsika omaly, fa fahaterahana mihoatra ny fahefana sy ny lahatra amin’ny lalam-piainantsika olombelona ny fahaterahan’i Joany Batista, efa zokiolona ireo ray aman-dreniny fa kosa nino, sy natoky an’Andriamanitra ka nomeny taranaka. Novonjen’Andriamanitra izy ireo fa nafahany tamin’ny tondromolotra sy ny esoeso, nomeny taranaka, ary nataony mpiara-miasa Aminy amin’ny famonjena ny olombelona rehetra. Fahaiza-mankasitraka sy fanomezan-danja an’Andriamanitra no votoatin’ny tononkira nataon’i Zakaria teo. Fianarana ho antsika mankalaza izao Noely 2024 izao. Misaotra fa nahazo Mpamonjy. Ny fandehanana any am-piangonana hankalaza sy hidera an’Andriamanitra no fomba voalohany hanehontsika izany. Aza adinoina fa ny sasa-kalina, ahaterahan’ny Mpamonjy, no fanombohan’ny Noely ankalazaintsika isan-taona. Misterin’ny fahatongavana ho nofo fa mistery hanavotan’Andriamanitra ny nofo rehetra koa.

Lafiny faharoa momba ny Evanjely rentsika teo, ny famitinana ny tantaram-pamonjena antsika olombelona, izay tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy, ilay taranaky i Davida ara-nofo. Ilay Andriamanitra tonga mamangy ny olony. Zava-tsoa lehibe tsy tambo isaina no entin’ny Noely antsika, efa ambaran’i Zakaria tamin’ny tononkira nataony rentsika teo dia:

  • Ny maha eo anivontsika an’Andriamanitra katsahantsika sy mampangetaheta ny olombelona hatrizay.
  • Ny fanavotana antsika amin’ireo fahavalo sy mpankahala.
  • Ny indrafo asehony antsika amin’ny alalan’io Zanany tonga miara-monina amintsika io.
  • Ny fitarihany antsika hiala ao anatin’ny haizina ho amin’ny mazava, hahitantsika ny fiadanana marina.

Isika olombelona, nofo sy rà, miaritra sy miaina ao anatin’ny zava-tsarotra sy manahirana, eny hatramin’ny fahafatesana aza, no ahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra; meteza hanomboka fiainana vaovao miaraka Aminy mba ho feno fiadanana ny fontsika mandray Azy, ho feno fiadanana isika rehetra miara-monina Aminy. Mirary soa ho antsika rehetra sahady amin’izao Noely 2024 izao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...