18 desambra 2024 — Herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Solofon’i Jese, fisehoan’ny fivondronan’ny vahoaka, avia hamonjy anay, aza maharitra ela intsony — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 1, 18-24
Hita mibaribary amin’ity Evanjely ity ny anjara toeran’i Masindahy Josefa amin’ny tantaram-pamonjena. Tsy hoe tsy vitan’Andriamanitra irery izany famonjena izany, araka ny voalaza fa tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra hatao, fa tiany ny hampandray anjara antsika olombelona, ka nanaraka ny fomban’olombelona izy, afa-tsy ny fahotana. Ankoatra an’i Masina Maria dia i Josefa azo lazaina fa mitana ny laharana faharoa. Eo amin’ny fiainana maha kristianina ilaina ny mampandray anjara ny hafa fa tsy milonjo irery amin’izay atao, araka ny fiteny hoe: ny entan-jaraina mora zaka, ny firaisan-kina no hery, fa tondro tokana tsy mahazo hao, hazo tokana tsy mba ala. Fa na mihevitra aza isika fa vitantsika irery, dia fieboeboana sy fisehosehoana fotsiny ihany izany; hafa ihany ny fiarahan-dia ka hifampitantana mankany an-danitra fa tsy handeha irery. Tsy natao hiolonolona isika fa hiaraka mandrakariva satria eo foana ny hafa. Koa amin’izao fiomanana amin’ny Noely izao aoka hifampizara andraikitra isika, hifanentana hatrany, fa tsy antsika irery io fa asan’Andriamanitra, toy ny naneken’i Masindahy Josefa ny sitrapon’Andriamanitra, na dia tamin’ny nofy aza no nanambaran’Andriamanitra izany taminy.
Teo anatrehan’ny zava-nitranga, nanana izay eritreriny izy kanefa tsy nataony ho voalohan-daharana izany fa aleony nanaiky an’Andriamanitra. Nahay nampandefitra ny sitrapony izy fa tsy niziriziry tamin’ny kinasany. Misy mantsy amintsika tsy manaiky hampandefitra ny antsika ka tratran’ny fitenenana hoe: aleo maty omby toy izay resy dohika! Ny azy foana no tiany hampanjakaina fa tsy ny an’ny hafa na hita izao aza fa tsy mahomby. Manaraka izany, aoka koa isika ho toa an’i Masindahy Josefa ihany ka ho marina na lahy na vavy, na amin’ny teny na amin’ny atao na amin’ny fisainana, marina amin’ny tena sy ny hafa ka ho lavitry ny fihatsaram-belatsihy sy ny fialonana ary ny avonavona, tsy hanao tsindrio fa lavo na kely tsy mba mamindro, na tany avo avaratra, na omby mahia tsy lelafin’ny namany fa ho marina hatrany.
Farany fahatanterahan’izay efa voalazan’ny mpaminany ity zava-mitranga ity ka tsy nisalasala i Josefa ny hanatanteraka azy. Araka ny fomba Jody dia izy no hanome anarana ny zaza aterak’i Maria hoe: Jesoa. Fa raha tsy nanaiky izy dia tsy maintsy ho notoraham-bato i Maria. Ny fanekeny àry nanavotra ny hafa. Mety ho toy izany koa amintsika, indrindra raha manaraka ny sitrapon’Andriamanitra.