13 desambra 2024 — Zoma, Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay, mba hifalianay amin’ny fo lavorary — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 11, 16-19)

Mila manao dingam-pahamatorana eo amin’ny sehatry ny finoana isika. Finoana mila mitombo, mila miha-lalina hatrany hatrany. Mazàna no tsy mitombo ny finoantsika, toa mihena koa tsindraindray. Tsy masaka sy tsy matotra ny finoantsika rehefa tsy mampifanaraka ny fiainantsika amin’ireo fepetra takian’ny Vaovao Mahafaly: mbetika ny Vaovao Mahafaly manasa antsika hifaly fa tsy mifaly isika; mbetika manasa antsika hangoraka sy halahelo ireo voan’ny tsindry hazo lena, kanefa indrisy toa tsy mampihetsika ny volomasontsika na koa tsy manohina ny fontsika velively ny hafatra entiny.

Tsy ahitana fahamatorana aoka izany ny finoantsika satria mila tany malemy hanorenam-pangady isika, na manao ilay tsobo-dranon-dRamiangaly koa raha marivo irobohana fa raha lalina kosa ihemorana. Tsarovy anefa fa manamafy ny finoana ny firosoana bebe kokoa, ary vao mainka manamafy azy bebe kokoa ireo karazam-pitsapana isan-karazany omban’ny fahasoavan’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...