6 desambra 2024 — Zoma, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo— Indro avy ny Tompontsika miaraka amin’ny heriny, ary hohazavainy ny mason’ireo mpanompony — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 9, 27-31)
Tamin’izany andro izany,
dia nisy jamba roa lahy nanaraka an’i Jesoa teny an-dalana
sady niantso mafy nanao hoe:
“Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo aminay!”
Nony tonga tany an-trano Izy,
dia nanatona Azy ireto jamba,
ary hoy i Jesoa taminy:
“Moa mino ianareo fa mahay manao izany Aho?”
Hoy ireo taminy:
“Eny, Tompoko.”
Dia notendreny ny masony, ka hoy Izy:
“Aoka ho tanteraka aminareo araka ny finoanareo.”
Dia nahiratra ny masony,
ary i Jesoa nandrara azy mafy hoe:
“Tandremo sao ren’olona izao.”
Kanjo nony nandeha ireo,
dia nampiely ny lazany tamin’izany tany rehetra izany.