4 desambra 2024 — Alarobia, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo— Tongava, ry Tompo, ary aza ela; vahao ny fatoran’ny vahoakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 15, 29-37)

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nankany amoron-dranomasin’i Galilea,
ary niakatra tany an-tendrombohitra Izy ka nipetraka teo.
Maro ny vahoaka nanatona Azy teo,
nitondra ny moana, ny jamba, ny mandringa, ny kilemaina
mbamin’ny marary hafa betsaka,
sy nametraka azy teo an-tongotr’i Jesoa dia nositraniny,
hany ka gaga ireo vahoaka rehetra ireo
nony nahita ny moana niteny, ny kilemaina sitrana,
ny mandringa afa-mandeha, ny jamba nahiratra,
ka nankalaza an’Andriamanitr’i Israely izy ireo.
Ary niantso ny mpianany i Jesoa ka nilaza taminy hoe:

“Mampalahelo Ahy ireto vahoaka,
fa efa hateloana izay no tsy nisarahany tamiko,
ka tsy manan-kohanina izy,
tsy tiako ny hampody azy tsy homan-kanina
sao dia reraka eny an-dalana izy.”

Fa hoy ny mpianany taminy:

“Aiza no hahazoanay mofo
ampy hahavoky ireo vahoaka be ireo aty an’efitra?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Manana mofo firy ianareo”?

Hoy ireo taminy:

“Fito sy hazandrano madinika vitsy foana.”

Dia nasainy nipetraka tamin’ny tany ny vahoaka;
ary noraisiny ny mofo fito sy ny hazandrano,
dia nanaovany fisaorana sy novakìny
ka nomeny ny mpianany,
ary ny mpianany kosa nanome ny vahoaka.
Dia nihinana izy rehetra ka voky,
ary sobika fito no feno ny sombintsombiny
sisa tsy lany nangonina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...