3 desambra 2024 — Talata, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo— Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay mba hifalianay amin’ny fo lavorary — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka 10, 21-24

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina ka nanao hoe :

“Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
noho Ianao nanafina izany tamin’ny mahay sy ny hendry,
fa nanambara azy tamin’ny zaza madinika kosa.
Eny, Raiko, fa izany no sitra-ponao.
Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra,
ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray,
na ny Ray afa-tsy ny Zanaka
sy izay tian’ny Zanaka hanambaràna Azy.”

Dia nitodika tamin’ny mpianany Izy
ka nilaza taminy manokana hoe :

“Sambatra ny maso mahita izay hitanareo
fa lazaiko aminareo fa maro ny mpaminany sy ny mpanjaka
naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita,
ary handre izay renareo, fa tsy nandre.”

[Miara-dàlana] Alatsinainy 2 desambra 2024

  • Nosantarina tao amin'ny Distrikan'Ankilikoaka ny fidinana ifotony amin'ny fampiofanana ny katesista, ao amin'ny Diôsezin'i Toliara...
  • Asandrato ny lohanareo ary manana fo velona sy mazava, io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, talohan'ny vavaka Angelus ny 1 desambra 2024...
  • Niangavy ireo mpanao pôlitika Libanais rehetra ny Papa François, mba hifidianan'izy ireo Filohan'ny Repoblika faran'izay haingana indrindra...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...