17 nôvambra 2024 — Alahady Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona— Miambena sy mivonòna ianareo: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 13, 24-32)

Maro ireo mpaminany sandoka nihambo ho nahalala ny farandro, nanonona daty mihitsy aza, kanefa tsy izany no izy; misterin’ny Ray izany, hoy i Jesoa, ka na ny anjely na ny Zanaka aza tsy misy mahalala. Lainga sy fitaka entina hanakorontanana saim-bahoaka izany. Ho avy ny Tompo, ho avy amim-boninahitra sy hery lehibe. Aleo mihitsy tsy fantatra izany fotoana izany sao halaim-panahy hiatsara velatsihy isika, hanjeny ny andro ho lava izao fa rehefa akaiky vao mody hiomana sy hikoropaka hanomana. Aleo tsy fantatra dia amin’izay miomana isan’andro.

Hiverina i Kristy amin’ny farandro, hoy ny foto-kevitra. Androm-pamonjena izany, androm-panavotana, koa andeha omanina. Handray lehibe eto an-tany aza miomana fatratra, mainka fa handray an’i Jesoa Andriamanitra. Aoka hifantoka bebe koa hatrany ny fo amam-panahintsika, ka na miondrika mampiasa ny zava-mandalo eto an-tany aza dia hiandrandra ny mandrakizay. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...