15 nôvambra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona— Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 26-37)
Amin’izay hitoeran’ny faty no hiangonan’ny voromahery. Manahirana ihany ny mahazo izany teny izany saingy fantatsika fa avy amin’ny fahafatesany no nampidiran’i Kristy antsika amin’ny fiainany. Amin’ny ora ialany aina no anomezany antsika ny fanahy (Jn 19, 30). Tsy mahagaga raha ny andro fahafatesana amin’ity fiainana ity no antsoin’ny Fiangonana hoe andro fahaterahana satria anombohan’ny voromahery izay mety ho nofo ary hitondran’ny mpinjija any an-tsopitra ny voa tsara.
Ambaran’ny Evanjely anefa fa tsy tokony hivaky loha amin’ny embona ny lasa na ny fitsinjovana ny ho avy isika; tsy hierika tahaka ny vadin’i Lota ary tsy hiverina haka izay mety hitsinjovana ny ho avy, hidina indray ao amin’ny trano efa nilaozana. I Noe sy i Lota moa no ohatra raisin’ny Evanjely, ny iray navotana tamin’ny safo-drano, ny iray navotana tamin’ny afo sy solifara, saingy ny olona kosa, ny tombotsoany sy ny fahafinaretany no nimasoany: taranaka fangoloka hoy i Masindahy Piera ao amin’ny Asa 2, 40.
Ny an’ireo manaiky ny Tenin’ Andriamanitra kosa dia ho difotry ny Ranon’ny Batemy ary hodiovin’ny afon‘ny Fanahy Masina. Tsy ny handositra hiala eo amin’izao tontolo izao mantsy no sitrak’i Jesoa ho an’ny mpianany fa ny mba ho voaaro amin’ny ratsy (Jn 17, 15)? Ny fiovana toe-tsaina no takian’i Jesoa ka ahatsapana fa ny fampiasana ny fiainana holaniana amin’ny fanasoavana ny hafa no nampisy heviny sy mahatonga azy ho sarobidy; ho vary angonina any an-tsopitra rahatrizay. Very hasina ny fiainana heverina ho tahirizina satria akombon’ny fitiavan–tena. Ilaina ny mahatsapa fa fanomezana ho an’ny hafa any amin’Andriamanitra izay eo am-pelatanana, tsy ny fananana ihany anefa no tsy maintsy, fa ny tena mihintsy. Izay nafoy dia tsy tokony hiverenana intsony.
Tsara ny manamarika izay lazain’ny Evanjely fa ny olona roa miara-manao zavatra mitovy, dia tsy mitovy ny hanjo azy. Midika izany fa tsy ny fanahafana ny ataon’ny olona na izay ataon’ny besinimaro akory no hahavonjy antsika sanatria, fa ny fanekena an-kalalahana kosa hanome ny aina mba ho fandraisana anjara amin’ny fanehoana amin’izao tontolo izao, fa fitiavana Andriamanitra ary Izy no efa mitia antsika mialoha. Ho sorona ankasitrahany anie ny fandinihantsika ny Teniny isan’andro.