6 nôvambra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 25-33)

Ry mpihaino hajaina, miroso mankany Jerosalema ny dian’i Jesoa, maro ny vahoaka niaraka taminy ka nitodika Izy nampianatra azy ireo. Tiany isika hanara-dia Azy, fa tsy ampy anefa izany sao sanatria manaraka fotsiny tsy misy antony isika, sao sanatria antony hafa tahaka ny hoe mahay fahagagana mampitombo ny mofo i Jesoa ka voky mandrakariva ny miaraka aminy. Ny manara-dia Azy mantsy dia antsoina hoe mpianany ka ny mpianatra tena izy dia ireo izay mandray sy mampihatra izay ampianarin’ny mpampianatra azy.

Ireto àry ireo famantarana notenenin’i Jesoa anehoana fa isika izay manara-dia Azy dia tena mpianany tokoa: rahefa tsy voafatotr’ireo rohim-pianakaviana akaiky isika, rahefa sahy mitondra ny hazofijaliana, rahefa mahafoy ireo fananana. Tsy sanatria hankahala an’ireo ara-bakiteny fa mba ho tena afaka hanara-dia azy ankalalahana ho afaka amin’ireo fatopatotra mangeja. Mety voakasika amin’izany ny fomba amam-panao, voakasika amin’izany ny asa aman-draharaha, voakasika amin’izany ny adidy eo amin’ny tokantrano. Anisan’ny nahatonga ny Eglizintsika nanapa-kevitra taty aoriana fa izay hanao ny raharaha maha mpisorona dia tsy manambady, mba halalaka tanteraka amin’ny fanatanterahana ny fanompoana Azy Tompo. Tsy mora ny manara-dia an’i Jesoa ho tonga tena mpianany marina ka izany no nahatonga Azy nampandinika ny safidy izay horaisina. Hoy Izy mantsy: “Rahefa mety ho mpitana angadin’omby miherika dia tsy sahaza ny fanjakan’Andriamanitra” (Lk 9, 62).

Manome safidy malalaka antsika Izy amin’ny fanarahan-dia Azy mba hahatonga antsika ho afaka hanolotra ny tenantsika tanteraka. Mitaky fahamatorana, faharetana, fahakingan-tsaina ary fandaminana mantsy ny fanjakan’Andriamanitra. Amin’ireo fanatanterahana ny asa pastoraly ataontsika, tsy sanatria manary ny fianakaviana isika rahefa tsy eo amin’ny fianakaviana amin’ny fotoana sasantsasany tokony ho eo toy ny fiaraha-misakafo, amin’ny resa-dresaka atao amin’ny fianakaviana satria tsy vita ny asa raha izany no atao vaindohan-draharaha. Noho izany, misy fitondrana hazofijaliana amin’ny fanatontosana izany, tahaka ny havizanana sy ny fandaniana samihafa. Efa tsinjon’i Jesoa mialoha ireo mety hamatotra antsika ka nanafatrafatra Izy mba handinihantsika tsara izany.

Ry Ray ô, ataovy mitia anao mihoatra ny zavatra rehetra izahay mba hahafahany manatontosa antsakany sy andavany ny safidy izay noraisinay. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 20 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Nanomboka andiany vaovao amin'ny katesizy, mitondra ny lohateny hoe: “I Jesoa Kristy, fanantenantsika”, ny Papa François ny alarobia 18 desambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...