5 nôvambra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 15-24)

Ry mpihaino hajaina, misy sokajin’olona izay mora mahafantatra ny halehiben’ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ity lehilahy iray izay nanatrika ny fanasana. “Sambatra lahy izay hanana anjara amin’ny fihinanam-be any amin’ny fanjakan’Andriamanitra”. Fa i Jesoa kosa namaly azy tamin’ny tantara anankiray maneho fa tsy ny olona rehetra no mahalala ny halehiben’izany fanasana miaraka amin’Andriamanitra izany. Inona àry no mety antony mahatonga ny olona tsy rototra amin’izany fanjakan’Andriamanitra izany ary inona no hataon’Andriamanitra manoloana izany?

Ry mpihaino hajaina, ireto izay lazain’ny Soratra Masina ireto àry dia endrika fialan-tsiny, tsy ahafahana mamaly ny fanasan’Andriamanitra: Olona iray izay vao nividy saha, olona iray izay vao nividy omby ary olona iray izay vao nampaka-bady. Hitantsika amin’ireto endri-java-miseho ireto fa olona manan-katao izy ireo. Izany hoe olona manam-bola matoa afaka mividy zavatra. Efa nolazain’i Jesoa fa sarotra ho an’ny mpanan-karena ny hiditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra satria be fiahiana izany loatra izy. Tsy ratsy sanatria ny miasa na mikarakara ny harena fa ny loza rahefa isika no tsy manana fotoana ho an’Andriamanitra intsony fa sahirana mikarakara ireo sy mifikitra amin’ity fiainana mandalo ity ka tsy manome lohalaharana an’Andriamanitra.

Ny fanasana eto mantsy dia tandindon’ny Eokaristia, tandindona sahady ilay hafaliana, fiadanana miaraka amin’Andriamanitra. Izy no manasa na manao ahoana na manao ahoana ny momba antsika, ary tiany higoka izany ny olona rehetra. “Mandehana mankeny amin’ny lalam-be sy ny fefim-boly ka tereo ny olona hiditra mba ho feno ny tranoko”. Ilaintsika ny manome laharana voalohany an’Andriamanitra isan’andro, indrindra ny andro voadidy hohamasinina, ny andron’ny Tompo izany, na inona na inona zavatra maika, afa-tsy ny aretina sy ny fikarakarana ny marary. Ankoatra izany dia tsy firaharahana an’Andriamanitra. Mbola nisy toerana nalalaka ny fanasana fa nofenoina tamin’ny fanerena. Aza miandry terena àry vao hanatona Azy fa ny sitrany dia isika manaiky Azy am-pitokiana sy ankalalahana.

Ry Ray ô, tsy navelano ho diso anjara amin’ny fanasana izahay zanakao na manao ahoana na manao ahoana ny momba anay. Ataovy mahatsapa izany fitiavanao lehibe izany izahay ka tsy hitsahatra ny hisaotra anao. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 nôvambra 2024

♦ Manasa antsika hivavaka ho an'ireo ray aman-dreny namoy ny zanany, ny Papa François, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana nôvambra ity... ♦ Nohamasinana ho diakra omaly tao amin'ny EKAR Masindahy Ignace de Loyola Soamanandrariny, i Fr Stephan Marie de l'Eucharistie Rasolonjatovo, avy amin'ny Fikambanana Société des Divines Vocations... ♦ Nanentana ny mpino rehetra ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus ny 10 nôvambra 2024, mba hiady amin'ny fihatsaram-belatsihy, fa hanao ny tsara tsy amim-pisehosehoana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...