22 ôktôbra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 35-38)

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aoka ho voaetra ny andilanareo, ary ho voarehitra ny jironareo.
Manaova toy ny olona miandry ny fotoana hiverenan’ny tompony avy any amin’ny fampakaram-bady,
mba hamoha azy miaraka amin’izay raha vantany vao tonga sy mandondòna izy.
Sambatra ireo mpanompo tratry ny tompony miambina raha tonga izy;
lazaiko marina aminareo fa hisikina ny tompony ka hampipetraka azy hihinana,
ary ho avy hampihinana azy.
Na tonga amin’ny fiambenana faharoa izy, na tonga amin’ny fiambenana fahatelo
ka mahatratra azy manao toy izany,
dia sambatra ireo mpanompo ireo.”

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...