30 septambra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Misaotra Anao aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 46-50)

Matetika toy ny karazan’anana sy hazo ka maniry miakatra ny ankamaroany na koa toy ny trafon’omby ihany koa ka mbola maniry miakatra ihany ny ataontsika ka tsy mikatsaka afa-tsy izay ho lehibe sy ambonimbony kokoa mba hibaiko sy handidy ary hanapaka, ho mpifehy. Tsy misy te ho ambany izany, na koa toy ny rambon’omby aman-tsoavaly ka haniry midina. Miteraka olana anefa izany matetika. Mitondra vahaolana amin’izany i Jesoa amin’ity sombina Evanjely henontsika teo ity. Hevitra tonga tao an-tsain’ireo mpianatr’i Jesoa, mantsy ny amin’izay ho lehibe amin’izy ireo. Tsy hoe ratsy akory izany fa tsy mety raha hanaovana tsinontsinona ny hafa na hanaovana tohatra fiakarana azy ireny. Matetika izay lasa lehibe manjary toa manjakazaka, manao kely tsy mba mamindro, manao didin’ny be sandry, manao zinona izay ambany, ka loza. Soa fa tsy ny rehetra kosa aloha. Ny biby tsy misy lohany tsy mandeha; ka tsara ilofosana izay hampandeha azy fa tsy ny hanambaniana na hanaovana zinona ny hafa.

Tamin’izy nampianatra tsy tamin’ny teny teto fa naka zaza kely anankiray Izy napetrany teo anilany, dia hoy Izy tamin’izy ireo: “Na iza na iza mandray itony zazakely itony amin’ny Anarako dia mandray Ahy, ary na zovy na zovy mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy”. Ny zazakely mantsy malemilemy, tsotra, tsy miantehitra afa-tsy amin’ny ray aman-dreniny, ka tokony ho izany isika rehefa mitana andraikitra ato amin’ny Eglizy: tsy hizahozaho na hieboebo, na hanambony tena na hisekoseko fa hanao toy ny zazakely, izay asaina ataony ihany no averiny na tsy fantany aza. Notohizan’i Jesoa hoe: “fa izay kely indrindra eo aminareo rehetra dia izy no lehibe.” Modely amin’izany i Jesoa, nanaiky natera-behivavy, ka tonga Zazakely ho famonjena antsika, na dia azony natao tsara aza ny nisafidy fomba hafa.

Koa meteza àry ho kely toy ny zaza amin’ny asa atao mba ho lehibe amin’ny andraikitra raisina. Mahaiza manetry tena mba hasandratra. Fahavalon’izany mantsy izay mandran-tena satria lasa mirehareha. Fanampin’izany, tsy izay hevitra tonga ao an-tsaina akory dia mety sy mahomby avokoa fa misy ny tsara amin’ireny fa ao koa anefa ny ratsy. Soa i Jesoa fa mahalala izay ao anatintsika ao: mahalala ny ao am-po tsy miloaka, ny ao an-tsaina tsy fantatra. Tsy azo anafenana Izy, fa mibaribary aminy avokoa na izay any amin’ny lanina indrindra aza. Asakasak’izay mbola manafina aminy.

Aoka hankafizintsika àry ny tenin’Andriamanitra ka ho halalinintsika ary indrindra iainantsika mba tsy hahatonga antsika hihinana amam-bolony. Hanampy antsika amin’izany ny vavaka ataon’i Masindahy Jérome tsarovan’ny Eglizy amin’ity andro ity.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 nôvambra 2024

♦ Manasa antsika hivavaka ho an'ireo ray aman-dreny namoy ny zanany, ny Papa François, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana nôvambra ity... ♦ Nohamasinana ho diakra omaly tao amin'ny EKAR Masindahy Ignace de Loyola Soamanandrariny, i Fr Stephan Marie de l'Eucharistie Rasolonjatovo, avy amin'ny Fikambanana Société des Divines Vocations... ♦ Nanentana ny mpino rehetra ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus ny 10 nôvambra 2024, mba hiady amin'ny fihatsaram-belatsihy, fa hanao ny tsara tsy amim-pisehosehoana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...