25 septambra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 1-6)

Ny hitory ny Fanjakan’Andriamanitra no nanomoronan’i Jesoa Kristy ny Fiangonana. Mitarika ireo torina hahazo ny fahasoavan’Andriamanitra araka izay ilainy sy ny fiainana mandrakizay izany. Arahan’ny fanasitranana ireo marary sy ny ady atao amin’ny ny herin’ny demony anefa io asam-pitoriana io; izany hoe manampy ny olona hositrana tanteraka amin’ny aretina ara-batana sy ara-panahy.

Mila fahavononana avy amintsika nofidiny hiara-miasa aminy no hofanatanterahana an’izany asam-pitoriana izany. Fahavononana amin’ny fiainana ny fahantrana. Endrika anehoana ny fahantrana ny fiheverana fa tsy mahasakana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny tsy fisian’ny tehina, kitapo, mofo, vola ary hamaroan’ny akanjo hisolosoloana. Endrika anehoana ny fahantrana ny fahavononana ny hihinana ny sakafo aroson’ireo olona itoriana ary miaina ny fahantrana ny mpitory rehefa vonona ny handray tsy fandraisan’ireo itoriana ny Vaovao Mahafaly, izany hoe rehefa miaiky ny tsy fahombiazana teo amin’ny asam-pitoriana ary tsy mora kivy fa vonona ny hitory hatrany hatrany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...