Alarobia 08 aprily 2020 — Alarobia Masina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 26, 14-25 — Arahaba, ry Mpanjakanay, Ianao irery no niantra anay tamin'ny hadisoanay.

0 : 00

Amin'ity Vaovao Mahafaly androany ity, dia singanina manokana i Jodasy Iskarôta. Izy tokoa no ilay tena nivadi-belirano tamin'i Jesoa Andriamanitra. Tadidio àry, ry kristianina havana, fa izay rehetra mivadika amin'Andriamanitra dia ratsy fiafara, ary azo lazaina mihitsy aza fa kizo fara satria namoy fo i Jodasy Iskariôta nony efa injay tonga ny fotoana nahafatesany, ary namono tena izy. Toetra tsy mendrika izany, tsy araka ny sitrapon'Izy Tompo.

Isika tsirairay avy, tadidio fa isaky ny mivadika amin'Andriamanitra isika, dia vao mainka manampy trotraka ny fahoriana sy ny fijalian'i Kristy, Ilay mihantona eo amin'ny hazofijaliana. Ny fatra-panaiky ihany hono no mandà, ary betsaka ny lokaloka nataontsika teo anatrehan'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fahasoavana rehetra izay noraisintsika taminy, tamin'ireny Sakramenta noraisintsika teo ambony ôtely masina ireny, tamin'ny alalan'ny teny mamy na velirano nataontsika tamin'izy Andriamanitra Ray : mba firy tamin'ireny no tantarakao, tanterako, tanteratsika tsirairay avy. Aza atao izay hampalahelo azy Jesoa, fa noho ny fitiavana antsika no nanolorany ny ainy sy nanaporofoany ny fara fitiavany. Tia antsika Izy, ary mitaona antsika ho ao an-tranon'ny Ray.

Dia manana ny kilemantsika, isika tsirairay avy, ny tarehy ratsy tokoa no tsy azo ovaina fa ny toetra ratsy azo ovaina. Ampio izahay ry Jesoa, amin'izao Herinandro Masina iarahanay misimisy kokoa aminao izao, mba hihezaka handresy ny toetra ratsinay, indrindra fa ny fivadihanay aminao, ny fivadihanay amin'ny namana mpiara-belona aminay. Enga anie izahay mba ho mendrika ho mpianatrao tokoa, ary ho mendrika ny fahasoavana izay arosonao isan'andro ao amin'ny Fiangonana. Amen.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...