17 aogositra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 13-15)

Tamin’izany andro izany, nisy zazakely maromaro nentina teo amin’i Jesoa,
mba hametrahany tanana sy hivavahany ho azy;
fa noraran’ny mpianany mafy ireo.
Ka hoy i Jesoa taminy:

“Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy;
fa an’ny tahaka azy ny fanjakan’ny lanitra.”

Ary rahefa nametra-tanana tamin’izy ireo Izy,
dia nizo-dalana indray.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...