14 aogositra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 15-20)

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatona azy;
ka rahefa mitokana ianareo, dia asehoy azy ny hadisoany.
Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;
fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao
mba ho tapaka noho ny teny hataon’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra.
Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny Eglizy;
ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny jentily sy ny poblikanina.
Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo ety ambonin’ny tany
dia ho voafehy any an-danitra;
ary na inona na inona hovahanareo ety ambonin’ny tany,
dia ho voavaha any an-danitra
Ary izao koa no lazaiko aminareo:
raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin’ny tany,
na inona na inona angatahiny dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany.
Fa na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny Anarako,
dia eo afovoany Aho.”

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...