3 aogositra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 1-12)

Rehefa tsy nino an’i Jesoa ireo mpiara-monina Aminy, dia niala teo Izy ary nanohy ny asany tamin’ny fahagagana maro tany an-toeran-kafa; ka tonga hatrany amin’i Herôda tetrarka ny lazany. Ity Herôda voalaza eto ity dia i Herôda Antipasy, zanak’i Herôda lehibe ilay nanjaka tamin’ny nahaterahan’i Jesoa. Ny hoe tetrarka dia mpanapaka, mpifehy faritany efatra. Milaza izany fa mivelatra be ny faritany iadidian’ity Herôda ity (faritany efatra); izany hoe vahoaka maro be no mahalala sy mahafantatra tsara azy ary tena nanan-karena izy. Kanefa ratsy ny fitondran-tenany: maka an’i Herôdiada vadin’ny rahalahiny, dia i Filipo. Raha ny mpitondra anefa no ratsy fitondran-tena, dia mankaiza ny vahoaka entiny? Mety ho vahoaka betsaka ihany koa araka izany no ho lasa ratsy fitondran-tena. Ny mpitondra anefa dia natao ho môdely sy hanome ohatra tsara mandrakariva ny vahoaka entiny. Natao ho fitaratry ny vahoaka ao aminy, indrindra amin’ny fanarahan-dalàna.

Ka mba hialana amin’izay voka-dratsy hateraky ny fitondran-tenan’i Herôda izay, izay mety hahavery vahoaka be, dia nijoro i Joany hanambara ny marina sy hanitsy ny tsy mety nataony. Tena fahotana ratsy lehibe tokoa mantsy ity ataon’i Herôda ity; ary tena tsy tian’Andriamanitra sy tsy sitrak’Andriamanitra. Satria raha ny Soratra Masina no jerena, dia tsy vitan’ny manely fanaratsiana eo amin’ny fireneny izy (mitarika ny olona amin’ny ratsy) fa mbola mijangajanga ihany koa (manao ratsy mihitsy). Izao mantsy no voalaza ao amin’ny Lv 18, 16: “Aza manely fanaratsiana eo amin’ny firenenao. Ary aza mitsangan-ko vavolombelona handatsaka ny ràn’ny namanao”. Hoy koa ny Lv 20, 21: “Raha misy lehilahy maka ny vadin-drahalahiny, dia fahalotoana izany, fa manokatra ny fitanjahan-drahalahiny izy, ka ho momba izy roroa”. Ary manamafy i Jesoa ao amin’ny Mt 5, 32 fa mpijangajanga izay manao toy izany: “Izay rehetra misao-bady, (...) dia mampijangajanga azy; ary izay hanambady ny voasaotra dia mijangajanga”. Ambonin’izany, araka ny filazan’i Flavy Josefa, Jiosy, dia zanakavavin’ny rahalahiny ihany, izany hoe zafikelin’i Herôda lehibe ity Herôdiada ity. Izany no mahatonga an’io anarany io misy fototra itovizany: avy amin’i Herôda raibeny. Ka fahotana efatra sosona araka izany no nataon’i Herôda: mitarika ny olona amin’ny ratsy, manambady ny zana-drahalahy, nandroaka ny vadiny ary naka ny vadin’ny rahalahiny mbola velona. Noho izany, dia tena fahotana mahafaty lehibe tokoa ity ataon’i Herôda ity.

Tsy sitrak’Andriamanitra izany; ary izany no nilazana azy an’i Jesoa eto. Ilain’Andriamanitra àry isika hijoro sy hanambara ny marina toa ny nataon’i Joany teo, fa ny fahamarinana no fiainana ny fanjakan’ny lanitra. Koa aza matahotra hijoro sy hanambara ny marina, hanitsy ny fitondran-tena tsy mety àry isika, eny fa na dia hamoizana ny aina toa an’i Joany sy toa an’i Jesoa teo ambony hazofijaliana aza.

[Miara-dàlana] Zoma 4 ôktôbra 2024

♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...