28 jolay 2024 — Alahady Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 1-15)

Ny voatoatin’ny Joany toko faha-6 dia i Jesoa mofon’aina. Araka izany, ny fampitomboana ny mofo nataon’i Jesoa no misongadina eto izay tandidon’ny Eokaristia Vatana aman-dràn’i Kristy. Milaza izany fa i Jesoa no loharanon’aina mamelona antsika fanahy amam-batana. Satria mofo ôrja dimy sy hazandrano roa monja no nampitomboiny namokisany olona marobe efa tsy omby dimy arivo dia efa ampy; ary voalaza mazava eto fa ny mofo dimy sisa tsy lany dia mbola nahafeno sobika roa ambin’ny folo. Izany hoe, i Jesoa rehefa manome dia manome mihoatra sy manome be dia be ny fahasoavany ho an’izay mandray Azy. Ka matoa mbola nasainy nangonina ny sisa tsy lany dia midika izany fa natao hamelona antsika isan’andro ny mofo izay omen’i Kristy. Izay rahateo no hambarany amin’ny hoe: nozarainy ny mofo sady nampanaranany fo. Midika izany fa natao ho raisina ny vatana sy ny ràn’i Kristy. Tsy indray mandeha fotsiny anefa fa natao ho raisina matetika; izay no lazainy amin’io teny io hoe nampanaranany fo fa tsy filerana io akory. Koa hamporisihan’i Kristy Jesoa àry isika handray matetika ny vatany.

Fa maninona tokoa no tokony ho raisintsika matetika ny vatan’ny Tompo? Dia satria izao: voatahiry tsara ny voankazo mora simba sy mora lὸ indrindra rehefa alona ao anaty ranon-tsiramamy (toy ny confiture ireny). Toy izany koa isika, voaaro amin’ny fahalovana ihany koa ny fontsika, na ahoana na ahoana fahosany, rehefa vonton’ny vatana aman-drà tsy manam-pahalovan’Andriamanintsika. Ambonin’izany, ny fandraisana matetika ny vatan’ny Tompo ihany koa no hahafahantsika mianatra mitia an’Andriamanitra, hanadio ny tsy fahalavorariana, ho afaka amin’ny fahoriana, hahita hafaliana ao anatin’ny fijaliana, ary hampatanjaka amin’ny fahosana. Koa aza misalasala manantona Azy Tompo amim-pitokisana sy fanetre-tena ao amin’ny Eokaristia; amin’izay ny matanjaka mba tsy hihaosa ary ny osa mba hihamatanjaka; moa ny marary mba ho sitrana ary ny salama mba tsy ho azon’aretina.

Noho izany, raiso matetika araka izay azo atao àry ny Vatan’ny Tompo. Fa ny bitrodia any an-tendrombohitra, hono, mihafotsy rehefa amin’ny ririnina, satria tsy mahita ary tsy mihinana afa-tsy ranomandry. Isika koa toy izany, rehefa voatery mitsaoka sy mihinana ny hatsarana, ny hatsaram-po, ny fahadiovana mihitsy aza, ao amin’io Sakramenta avy amin’Andriamanitra io, dia ho lasa tsara fanahy, ho be hatsaram-po ary hadio tanteraka.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...