26 jolay 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 18-23)

Henontsika tamin’ny Vaovao Mahafaly teo ny fanazavan’i Jesoa ireo karazan’olona nandre ny Tenin’Andriamanitra, voatsinampin’ny finoana, hanorenana ny fanjakan’Andriamanitra sy ny vokatra azo. Io voatsinampin’ny finoana nafafin’Andriamanitra ao amintsika io dia mitoetra ao amin’ny fanihintsika izay miankina indrindra amin’ny tontolo misy ny tsirairay, ny ankohonana voalohany indrindra amin’izany. Anisan’izy ireny ireo vao nandray ny Batemy, mila ny fiainam-panahin’ireo ray aman-dreny sy ny fanampian’ny Eglizy manontolo, mba hahalalim-paka sy hitomboan’ny finoany ary hiambina azy amin’ny fahamaina sy ny fanahiana ateraky ny fiainana. Tsapa ho maro tokoa mantsy ankehitriny ny ankizy sy ny tanora no maimay fo handray ireo sakramenta kanefa toa am-boalohany fotsiny ihany izany. Fa sady tsy manam-paharentana izy ireo no tsy mamokatra araka ny andrasana aminy.

Adidin’ny tsirairay koa anefa ny mikolokolo mandrakariva ny fanahiny sy miaro ny finoany manoloana ireo fisarihana maro ataon’izao tontolo izao, izay mitondra any amin’ny tany karakaina, tsy afaka hamokatra intony. Mety misy aza angamba tsy mahita tsiro intsony an’izany hoe: mivavaka, manao ny tsara sy ny marina. Ny tsy mahalala intsony izay tokony hatao, ny manafangaro ny fiainana ny finoana sy fanaon’ny olona. Izany rehetra izany dia vokatry ny fahamainan’ny fanahy avokoa.

Samia manontany ny toetry ny fanahiny isika tsirairay avy, ary meteza ho kolokoloina mba hahatonga ny fanahintsika ho tany lonaka ho an’Andriamanitra ka hampifandray izany amin’ny fiainana andavanandro.

[Miara-dàlana] Zoma 6 septambra 2024

♦ Manatanteraka fitsidihina eto Madagasikara, ny 4 hatramin'ny 9 septambra 2024, i P. Alfred Maravilla, Mpanolotsaina Jeneraly momba ny Misiona, ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Manentana ny kristianina hivavaka ho an'ny olona tsirairay, mba hihaino ny fitarainan'ny tany, ny Papa François amin'ity volana septambra ity... ♦ Nanomboka androany ny dingana faharoa amin'ny fitsidihina apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-45, ataon'ny Papa François, izay tanterahany any Asie sy Océanie...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...