24 jolay 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 1-9)

Endrika fivoahana roa no rentsika nambaran’ny Evanjely teo. I Jesoa nivoaka ny trano ary ny iray dia ilay mpamafy nivoaka hamafy. Ny voalohany dia tsy inona fa i Jesoa tao amin’ny fomban’Andriamanitra kanefa nanaiky ho tonga olombelona mba hampiditra antsika olombelona ao amin’ Andriamanitra. (Fil 2, 6) ny antony nivoahany, ho tonga teto amin’izao tontolo izao, dia tsy iza fa isika olombelona sy ny famonjena antsika. Fivoahana faharoa dia ilay mpamafy: ilay nitondra ny voa afafy, izay tsy inona fa ireo fanomezana maro sy fomba maro ataon’Andriamanitra mba hahavonjy antsika olombelona, hatonga ny fanjakan’Andriamanitra.

Ireo fivoahana roa ireo dia mila fihainonana avokoa, fepetra voalohany hampamokatra sy hampahomby izay nafafy sy ny antony nivoahana. Izay ilay fanoharana nataon’i Jesoa, tantarain’i Masindahy Matio. Ary ireo kristianina indrindra no tokony hahay mihaino sy hanao izay halonaka ny tany, hahatanteraka ny fanjak’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao. Rentsika teo anefa ny fahasamihafa ny tany sy ny vokatra azo avy aminy. Ilazana fa tsy mora ny mampamokatra izay afafy, fa mila ezaka sy famolahan-tena ary finiavana mandrakariva. Fantatr’Andriamanitra ireo sakantsakana maro isan-karazany eo amin’ny fiainantsika, kanefa aoka ho tsapantsika koa fa afaka manova ny tany be vato sy tsilo ho tany lonaka ny Tenin’Andriamanitra, afaka manova ny fontsika vato ho fo nofo.

Ilay voa afafy latsaka teny an-dalana dia maneho ny andro sy ny fotoantsika kristianina, betsaka zavatra atao, ka mampandefitra ny fihaonana amin’Andriamanitra. Ilay tany be vato, sady manify nofo, tsy inona fa ilay fisehosehoantsika ivelany, izay zary lasa vato misakana amin’ny firosoana amin’ny fiainana kristianina. Ny tany be tsilo, dia ireo karazana fihetsiketsehana ivelany sy ny filana maro isan-karazany manjo ny olona, toy ny vola, ny rendrarendra ary izay mety ho endrika fahafinaretana. Mahatonga ny fiainana tsy hivelatra sy handroso araka an’Andriamanitra na mahatonga azy koa hiraviravy tanana tsy handray andraikitra.

Tsarovy anefa fa antso ho amin’ny fitokisana an’Andriamanitra io fanoharana ataon’i Kristy antsika anio io. Antso ho an’ny tsirairay mba hahay handray sy hampamokatra izay nafafiny tao am-pontsika. Hahatonga izao tontolo izao ho tany lonaka ho an’Andriamanitra. Meteza hihaino ary aoka tsy ho kivy mandini-tena isika, fa velona sy mahery afaka manova ny zavatra rehetra ny Tenin’Andriamanitra, raha toa ka vonona ny hihaino sy hanatanteraka azy isika.

[Miara-dàlana] Zoma 6 septambra 2024

♦ Manatanteraka fitsidihina eto Madagasikara, ny 4 hatramin'ny 9 septambra 2024, i P. Alfred Maravilla, Mpanolotsaina Jeneraly momba ny Misiona, ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Manentana ny kristianina hivavaka ho an'ny olona tsirairay, mba hihaino ny fitarainan'ny tany, ny Papa François amin'ity volana septambra ity... ♦ Nanomboka androany ny dingana faharoa amin'ny fitsidihina apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-45, ataon'ny Papa François, izay tanterahany any Asie sy Océanie...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...