19 jolay 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Omeo fahalalàna aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 1-8)

Asehon’ity sombina Evanjely ity ny maha sarobidy ny aina. Tsy ananam-piry mantsy io aina io. An’Andriamanitra ny aina ka mila tandremana toy ny anakandriamaso. Entina hiarovana ny aina ny lalàna fa tsy sanatria hanimbana azy tsy akory. Eto izao ny mpianatr’i Jesoa noana ka nioty salohim-bary dia nihinana avy eo. Velomina ny aina mba tsy ho reraka na ho faty: omena sakafo. Tsy azo atao izany raha araka ny lalàna Jody satria voafetra ihany ny azo atao amin’ny andro sabata. Nandika izany ireto mpianatra teo imason’i Jesoa fa tsy nokianiny. Ny Farisianina indray no be fanakianana eto satria ho an-dry zareo ambony kokoa ny fomba amam-panao aman-dalàna noho ny aina. Ahoana anefa no hitandremana izany raha tsy eo ny aina amin’ny olona? Nampahatsiahy i Jesoa eto fa tsy vao sambany teo amin’ny tantara akory izao nataon’ny mpianany izao fa efa nisy tany aloha tamin’ny andron’i Davida mpanjaka “raha noana izy sy izay nanaraka azy” ary fantatr’ireto Farisianina ireto tsara izany, “raha noana izy sy izay nanaraka azy. fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy, ka nihinana ny mofo alahatra, kanefa tsy nisy nahazo nihinana izany na izy na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany”

Ankehitriny koa toa mbola tsy voahaja ihany ity aina avy amin’Andriamanitra ity ka potipotehina sy viraviraina aza: diniho ny vono olona etsy sy eroa hita amin’ny fampielezam-peo sy amin’ny gazety isan-karazany, ao ny vono olona mivantana na ankolaka, ny fanalan-jaza, ny fanilikilihina sy tsy firaharahana ny valala tsy mandady arina fa ny tombotsoan’ny tena sy izay iray antoko na fikambanana ihany no imatimatesana, eo ny fifankahalana mitarika valifaty sy ny maro haintsika sy iainanantsika any tsy voatery hambara eto fa notsongaina ireo hampieritreritra antsika. Aoka re ny lalàna atolotra mba hikajiana io aina io fa tsy sanatria hanimba azy e! ka tsy hiroa fo isika mianakavy fa hitandro ny hasin’io aina io.

Notohizin’i Jesoa ihany ny teniny eto hoe: “Amin’ny andro sabata dia mandika ny sabata ny mpisorona ao amin’ny Tempoly, kanefa tsy meloka izy? Ary lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny Tempoly”, koa aza maika hanameloka ny tsy meloka, manome tsiny ny tsy manan-tsiny isika, toy ny ataon’ireto Farisianina ireto, fa lehibe noho ny mpisorona ireto mpianany ireto ary Izy Jesoa koa aza moa lehibe noho ny Tempoly. Tsiahivina mantsy fa ny Tempoly ho an’ny Jody dia singa fototra iray ijoroan’ny finoany ka manana ny maha izy azy. Koa tandremo ny hoe manam-pahefana ka hanao zinona ny hafa, hanao tsindrio fa lavo, miandry kendritohina mba hisy hanasoketana azy ireny sy hanao izay hahavoazany. Ahitsin’i Jesoa izany fomba fisainana izany satria tsy toetra sahazan’ny zanak’Andriamanitra.

Mazava ny namaranan’i Jesoa ny teniny teto hoe: “Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona, dia tsy ho nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo; satria tompon’ny sabata aza ny Zanak’olona.” Tsy iza fa i Jesoa ihany izany lazainy izany. Tompon’ny sabata Izy fa tsy mpindrana. Ary ho antsika zanak’Andriamanitra tsarovy fa izay miavonavona tsy hahalala na hahita famindram-po. Koa aza malaky mitsaratsara foana isika fa mbola ho tsaraina re.

[Miara-dàlana] Zoma 6 septambra 2024

♦ Manatanteraka fitsidihina eto Madagasikara, ny 4 hatramin'ny 9 septambra 2024, i P. Alfred Maravilla, Mpanolotsaina Jeneraly momba ny Misiona, ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Manentana ny kristianina hivavaka ho an'ny olona tsirairay, mba hihaino ny fitarainan'ny tany, ny Papa François amin'ity volana septambra ity... ♦ Nanomboka androany ny dingana faharoa amin'ny fitsidihina apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-45, ataon'ny Papa François, izay tanterahany any Asie sy Océanie...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...