17 jolay 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 25-27)

Fisaorana mandrakariva no eo imolotry ny mpino. Modely ho antsika i Jesoa, misaotra ny Rainy Andriamanitra. Diniho tsara anie fa toy ny saka isika matetika ka tsy mahay afa-tsy ny mangataka, eny hatramin’ny vavaka aza. Vavaka izany, fa tsy izay ihany fa eo koa ny fisaorana toy ny hitantsika eto. Koa aoka hipololotra avy ao anatintsika izany fisaorana izany, ka ho eo am-bavantsika mandrakariva ny fankasitrahana, ao an-tsaintsika ny fankatelemana. Fotoanan’ny fanadinana moa izao: ao ny efa nahavita ao ny mbola mikatroka. Maika ery isika mangataka alohan’ny fanadinana fa mananosarotra na hadino mihitsy aza ny misaotra an’Andriamanitra. Toy izany koa rehefa hisakafo: mailaka manao vavaka fangatahana alohan’ny hihinana, iny aza moa misy manadino koa; fa hadino ny vavaka fisaorana fa maika ny handeha, misy aza moa manao kopa-dalitra fotsiny! Raharaha izany! Enga anie tsy ho amintsika manaraka izao fandaharana izao. Koa mahaiza misaotra sy mankasitra azy Andriamanitra Ray mandrakariva re!

Manaraka izany meteza ho tso-po eo anatrehan’Andriamanitra isika fa tsy ho be saina amam-pahalalana ka mody hendry eo imason’olona fa manao hadalana any ambadika. Raha tsy manetry tena tsy hahavita izany. Lohalika sy laferana ka izay mandefitra ihany no mandina. Mahatakatra ny sy mahalala ny sitrapon’Andriamanitra izay tso-po. Tsy bibilava akory isika ka hiolakolaka, tsy kary ka hisafelipelika fa zanak’Andriamanitra fitiavana ka tokam-po, tsy manam-po afa-tsy fitiavana ihany, tsy miaina afa-tsy fitiavana, ary tsy mitory afa-tsy fitiavana hatrany. Sitrapon’Andriamanitra isika tso-po ka hahatakatra ny tsiambaratelom-pitiavan’Andriamanitra. Efa nanehoan’i Jesoa ny Rainy isika ka manjary mahalala Azy ankehitriny. Voninahitra an-tsobiky tsy atao am-patram-bary. Koa aza soloina olon-kafa na zavatra hafa Izy fa ho voa mafy izay misaraka aminy.

Mazava ny lazain’i Jesoa eto mikasika Azy sy ny Rainy: “Tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy”. Naborany tamintsika izany sady tiany hiainantsika koa fa isika matetika no tsy te hahalala izany, tsy mahatoky ka manjary miantehitra amin-javatra hafa. Isan’ny tian’i Jesoa isika matoa nanehoany izany, koa valio fitiavana koa izany fitiavan’i Jesoa izany. Tsy misy afa-tsy fitiavana ao aminy fa ny antsika no feno fankahalana sy lolom-po ary izao karazana haratsiana rehetra izao. Mila esorina ireny rehetra ireny, mila midio isika, izany hoe mila mibebaka. Aoka tsy hisy hanelingelina antsika amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra fa hianoka tsara ny fitiavany isika satria efa namborahany ny tsiambaratelony.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...