15 jolay 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 34 — 11, 1)
Raha tsy dinihina tsara ny tenin’i Jesoa eto dia toa hafahafa toy ny dokotera nefa marary, ny nantenaina hanirina no vao mainka nampivandravandra: aiza ka Izy nantenaina hitondra fiadanana indray no vao mainka nitondra sabatra fampisarahana aza, nantenaina hampiombona no vao mainka nampiparitaka aza. Tsy mifanohitra ve izany e! Raha ny marina dia Izy no fihavanantsika (Ef 2, 14) kanefa fantany fa olombelona marefo isika, mamela Ilay ratsy hahazo vahana eo amin’ny fiainantsika ka mahatonga antsika hisamatsamaka sy hivakivaky, eny fa na ny mpihavana akaiky aza. Basy atifi-kavana ny Azy ka tonga dia narangarangany. Efa noravany, nopotehiny, narodany teo amin’ny hazofijaliana izany efitra mampisaraka antsika izany fa natsangantsika indray noho ny hadalantsika. Eo koa ny mamorona antsana hampanalavitra ny mifanakaiky, toy ny finday, na manorina havoana na tendrombohitra aza tsy hifankahitana na hifampitazana intsony. Hany ka lasa mifandrafy isika, mifampifahavalo, eny na ny samy ao an-trano aza: “Ny zanaka lahy amin’ny rainy, sy ny zanaka vavy amin’ny reniny, ary ny vinanto vavy amin’ny rafozany vavy”. Mazava ny tenin’i Jesoa ny amin’izany: “Ary ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony.” Mitranga izany noho ny fialonana, ady tany na lova, ny fanavakavahana, tsy mandray ny hafa amin’ny maha izy azy fa heverina ho toy ny tena daholo ka hanerena ny hafa hanao izay tian’ny tena fotsiny.
Tsy mety anefa izany fa manjary rano mandevy mifandona amin’ny rano mangotraka matetika, afo misedra vanja ka tonga dia mipoaka; vokany fahamaizana, fahavoazana, faharavana. Loza izany! Lasa tsy mifampihaino, tsy mifampiresaka firy intsony, indrindra moa hatramin’ny nisian’ny fitsokan’ny rivotry ny fandrosoana ka nivelaran’ny hay taon’ny fifandraisan-davitra ity, sy ny rivotra mifofofofon’ny fandrosoana ka mora kizitina, tsy ilazana vilany rimbona. Hany ka lasa zava-doza toy ny fiara raha sendra mifandona na mifampikasika kely aza dia tsy azo atao kanefa tokony hifanitsy sy hifananatra ka manjary tsy afaka mifanohintohina sy mifanohatohana intsony.
Aza omena hirika ny demony. Mila fibebahana re! banjino ny hazofijalian’i Jesoa dia ho rava izany. Atomboka amin’ny ao an-trano izany fibebahana izany amin’ny alalan’ny fampanjakana an’i Jesoa Andriamanitra. Izany hoe aoka hamerovero hanitry ny fifankatiavana ny tokantrano fa tsy ho mantsin’ny ady lavareny sy ny fifampialonana ary ny fifanejehana amam-pifandrafiana. Amin’izay ho voatsipaka am-bavafo ilay ratsy. Mazava ny nanohizan’i Jesoa Azy fa raha manambany an’i Jesoa noho ny ankohonana dia tsy mendrika Azy. Iza tokoa moa izany no ambony amintsika re? sokafy ny masontsika hahita ny hafa fa aza mikombona irery amin’ny tena ao fotsiny. Hafa noho isika izy ka raiso araka izany. Diniho anefa ankehitriny fa toa mihatra ara-bakiteny io lazain’i Jesoa io ka mila mibebaka isika mianakavy.