11 jolay 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Andriamanitra no mampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 7-15)

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôly nanao hoe:

“Raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe:
Efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra.
Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony:
nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.
Aza mitondra volamena na volafotsy na varahina ao amin’ny fehin-kibonareo,
na kitapom-batsy eny an-dalana, na akanjo roa, na kiraro, na tehina,
fa ny mpiasa dia mendrika homen-kanina.
Ary amin’izay tanàna na vohitra hidiranareo,
dia anontanio izay mendrika, hidiranareo ao,
ka mitoera ao aminy ambara-pialanareo.
Ary raha vao miditra ao amin’ny trano ianareo, dia miarahabà hoe:
‘Ho amin’itý trano ity anie ny fiadanana’;
ka raha mendrika tokoa ny ao an-trano,
dia ho tonga ao aminy ny fiadanana nantsoinareo;
fa raha tsy mendrika kosa izy,
dia hiverina aminareo ny fiadanana nantsoinareo.
Ary raha misy tsy mampiantrano anareo na tsy mihaino ny teninareo,
dia mialà amin’izany trano izany, na amin’izany tanàna izany,
ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo.
Lazaiko marina aminareo fa ho moramora kokoa
ny hatao amin’i Sôdôma sy i Gômôra amin’ny andro fitsarana
noho ny hatao amin’izany tanàna izany.”

[Miara-dàlana] Zoma 29 aogositra 2025

• Olon-dehibe mijoro amin'ny finoana sy fanantenana Kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin'ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana. Io teny manentana ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faharoa io no nantintranterin'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona nandritra ny fanokafana izany tany amin'ny Diosezin'i Morondava... • Samy ao anatin'ny fanatanterahana ny Andron'ny Tanora isan-diosezy ihany koa ny ao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa sy Port-Bergé, izay hifarana ny alahady izao...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...