19 jona 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao, ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6. 16-18)

Ry kristianina havana; fomba nolovana tamin’ny Jody ny fanaovan-tsoa sy ny fifadian-kanina, sy ny fomba maro hafa koa fitaizam-panahy. Saingy ny toe-panahy enti-manatanteraka azy no mampiavaka azy. Saika mifanohitra mihitsy izany. Tsy mitsara sy mandiso sy manameloka isika fa mahasangenehana mihitsy ny mahita ny sasany raha vao mba manampy olona dia alaina sary sy aparitaka, avoaka amin’ny fampielezam-peo sy fahitalavitra, alefa mivantana ho hitan’ny be sy ny maro amin’ny tambajotran-tserasera. Toa filan-dera sy fisehosehoana no betsaka, toa fividianana konsiansin’olona hifidy ny tena sy filan-tombon-tsoa manokana no ao ambadika; feno fihatsaram-belatsihy. Tsy hevitr’i Jesoa izany. Manao soa mangina tsy misy mahita afa-tsy Andriamanitra irery ihany.

Toy izany koa ny fifadian-kanina: fanetren-tena sy fifehezan-tena no tanjona fa tsy fisehosehoana; tsy ilaina atao fantatr’olona akory hoe mifady hanina. Tsy amin’ny karemy ihany no mila mifady hanina fa rehefa misy fiomanam-panahy atao (manomana fety lehibe na misy fangatahana fahasoavana manokana) na koa asa fanonerana sy fibebahana lalina. Aoka Andriamanitra irery no hahita; aoka ho voninahitr’Andriamanitra. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...