17 jona 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny Vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 38-42)

Ry havana; mampianatra antsika tsy hamaly ratsy ny ratsy i Jesoa. Ny lalàna taloha manko dia manome lalana hamaly mitovy amin’izay ratsy nataon’olona tamin’ny tena; maso efai-maso, nify efai-nify. Mba isorohana ny tsy maty manota sy ny mamerin-keloka no antony namelan’ny lalàna izany. Satria noheverina fa rariny sy hitsiny ka tsy hisy faty antoka sy mahazo tombony. Mivadika kosa ny rasa rehefa tonga i Jesoa: tsy mamaly ratsy akory, tsy manisy arakaraka izay na dia nanaovana an-keriny; manome sy mahafoy tsy miandry valiny (Rm 12, 17-21).

Tsy hoe manome vahana ny tsy maty manota sy ny mpamerin-keloka akory, tsy maintsy dinihina kosa izao: rahoviana izany vao hifarana ny ratsy raha toa ka mifamaly mifamaly lava eto. Dia io atrehi-maso isan’andro io tokoa moa no zava-misy eran-tany: mifampidera fitaovam-piadiana, mifaninana mifamono, valifaty tsisy farany. Tsy izany ny Fanjakan’Andriamanitra: misaora sy mivavaha ho an’ny mpanao ratsy. Aleo izay nanao ratsy antsika ihany no manao ratsy fa aleo isika tsy manao ratsy na iza na iza. Mafy sy sarotra izany, mampijaly aza, saingy izany no famonjena, satria fanjakan’ny famelan-keloka ny fanjakan’Andriamanitra. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...