13 jona 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)
Ny fidirana amin’ny fiainana no ambaran’ny Evanjely, ahoana no fomba hialana amin ‘ny ratsy? Mampitombo ny fahamarinana mba ho lehibe kokoa noho ny an’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna (Mt 5, 20). Ny lalàna no faratampon’ny fahamarinana takatr’ireo Jody, izany lalàna izany no mila hiainantsika satria ny fahatanterahan’izay kendreny no hampiditra antsika amin’ny fiainana feno fahasambarana, torolalana manko ireo fa izay no nahatonga an’i Jesoa hilaza fa tonga hanatanteraka ny lalàna sy ny mpaminany izy (Mt 5, 17).
Nanana ny fahendreny ny Ntaolo fa isika kosa matoky sy mino bebe kokoa ny fampianaran’i Kristy, tsy ny tahotra ny fitsarana no tsy hamonoana olona satria izay mitezitra amin’ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana ary izay milaza fa tsy misy ilàna azy, malemy hoatran’ny kankana ny rahalahiny dia tokony hohelohin'ny Sanedrina ary izay milaza azy ho foka dia ho saziana amin’ny gehen’afo (fandorana fako). Mazava ny fomba fijerin’i Jesoa raha olona heverina ho tsy misy ilàna azy na adala sy votsa saina no eo anoloanao dia voaantso ianao hanome tànana azy, hampisy heviny ny fiainana, izany fanoloran-tena ho an’ny hafa izany ka ny fanaovana izay tianao ataon’ny olona aminao no fahatanterahan’ny lalàna; raha ho avy izay andro maha osa anao, tianao ve ny ihomehezan’ny olona sy ho afokafokainy? Ny adala’ny tena tafian-damba hoy ny Ntaolo fa tsy ihomehezana ka raha itezeranao izy dia milaza ny hatezerana te hanasazy, te hamaly faty, raha ambanianao izy, raha hafokainao izy dia halainao baràka sy hozoninao araka izany ny havanao, ny rahalahinao, ary raha tsy fahafaham-baraka ho anao izany dia ny Ntaolo ihany no hitsara anao.
Ny adalan’ny tena tafian-damba hoy izy ireo, ary ianao kosa mila mandini-tena hoe inona moa no ilàna ahy, izany no hiezahana mandrakariva mandini-tena sao mitondra alahelo ho an’ny hafa ny fiainantsika; fahafaham-baraka sy fahaverezan’ny hasin’ny fiainana eo anatrehan’ny olombelona izany fa indrindra eo anatrehan’Andriamanitra. Noraisin’ny kristianina am-pahendrena ny fampianaran’i Jesoa fa tsy afaka ny hanolotra fisaorana izay tsy niaina ny fitavana, ka tsy nangata-pamelana; hoy ny Didaché hoe amin’ny andron’ny Tompo izay tsy mihavana ami’ny namany dia tsy tokony hiangona miaraka amintsika mialoha ny ivavahany mba tsy hahavoaloto ny tolotra ataontsika.
Ny famelana ny fihavanana no fanoitra hiadiana amin’ny vono olona sy ny valifaty, ambaran’i Jesoa fa lalana tsy maintsy diavin’izay te ho any amin’ny fiainana ny fampihavanana, tsy ho afa-bela amin’izany izay tsy te hihavana fa handoa hatramin’ny vary iray venty farany, tsy afaka ny ho sambatra na oviana na oviana izay miondana amin’ny fahorian’ny hafa, mety hihevi-tena ho sambatra izy fa na ho ela na ho aingana ny tsirairay raha mbola manan-tsaina koa ka asan’izay te ho adala tsy maintsy hamaly ity fanotaniana ity hoe nataoko inona ny fiainako, nampiasaiko hanaovan-tsoa ve sa nampiasaisaiko hitiavan-tena sy hitiavana tombontsoa manokana tsy hampanakarena ahy ho amin’ny fiainana mandrakizay, fahasoavana ho antsika ny tenin’i Ezekiela mpaminany, tsy ny lasa sy ny fahotana mety ho vita no tompon’ny teny farany, afaka miova sy miha tsara avokoa isika ka ny fialàna amin’ny ratsy dia fitsanganan-ko velona, fidirana amin’ny fiainana, hitsangan-ko velona hanangan-ko velona antsika anie ny Fanahy Masina.