13 mey 2024 — Alatsinainy, Herinandro fahafito Fankalazana ny Paka — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 29-33)

Manomana ny mpianany i Jesoa eto, satria hisaraka amin’izy ireo ka handalo fijaliana. Hijaly i Jesoa ka handresy ny fahafatesana, fa hijaly toa azy koa ireto mpianany satria tsy hiaraka aminy intsony aorian’izao fa handeha irery, samy hiely sy hiparitaka eran’ny vazan-tany hitory an’i Jesoa. Rehefa tsy eo mantsy i Jesoa dia hoavy ny karazam-paharatsiana isan-karazany izay mety hampisara-bazana ireto mpianatra ireto. Araka ny voasoratra ao amin’i Zakaria Mpaminany hoe : “Rehefa tsy eo ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry andrasana” (Zak 13, 7). Izany indrindra no hanomanan’i Jesoa ny sain’ireo mpianatra mba ho vonona hiatrika ny sedra maro izay mety hihatra aminy. “Hozoim-pahoriana ianareo eto amin’izao tontolo izao ; fa matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho”. “Hozoim-pahoriana ianareo”, hoy i Jesoa.

Mampandinika antsika Izy mba hahafantatra sy hahatsapa fa tsy misaraka amintsika Andriamanitra na dia eo aza ny fahoriana mety hihatra amintsika. Endrika mety hisehoan’izany fahoriana izany ny zavatra rehetra amin’izao tontolo izao toy ny filan-karena mihoa-pampana etsy sy eroa ka mahavery fanahy ny olo-marina. Satria manjaka ny tsy rariny. Endrika hisehoan’ny fahoriana mianjady amintsika ihany koa ny filàn’ny nofo, ny fitiavan’ny maso, ny rehaka amin’izao fiainana izao ; izay mampivaona antsika hanalavitra an’Andriamanitra. Fa ny tena fampahoriana miharihary indrindra dia ny fanenjehana ataon’ny mpiara-monina : raha mba mijoro ianao dia azera, raha mba miarina ianao dia finganina ary raha mba miezaka ianao dia esoina. Manginy fotsiny raha misy tsy nety natao dia hanaovana tsindrio fa lavo. Ka mety halaim-panahy ny ho kivy mihitsy aza isika indraindray ; satria mihevitra fa hoe toa arakaraka ny hivavahana indray ity no toa vao mainka tsy milamina ny tokantrano, gidragidra lava, mikorontana ny fiainana, izay atao tsy mety avokoa fa misy kihana lava, vono sy vava ratsy etsy sy eroa, ny vola tsy misy ny olana misesika, hany ka tsy hita ilay fiadanana nofinofisina nialàna tao amin’i Dada sy i Mama.

Fa hoy i Jesoa eto hoe : “matokia, fa efa nandresy an’izao tontolo izao Aho”. Manàna fahatokisana an’Andriamanitra ka aza miova. Fa tokana ihany ny fepetra takian’Andriamanitra amintsika : dia ny fitokiana Azy. Ampitomboy ny finoana ary miantehera amin’Andriamanitra fa izany no atao hoe fahatokisana. Misy ary mbola hisy ny fahoriana, hoy i Jesoa, matokia fa tsy maintsy resiny izany ; satria Izy efa nandresy ny ratsy izay mafy indrindra teo amin’izao tontolo izao. Koa ataovy mafy ny finoana fa arakaraka ny mahamaivana ny finoanao sy ny fitokianao an’Andriamanitra no vao mainka mampisesika ny fisedrana sy ny olam-piainana mampijaly anao ka hitsapan’ny demony anao mba handavanao an’Andriamanitra.

Koa aza manary toky àry fa tsy manary sy tsy misaraka amintsika Andriamanitra. Ka hoy indrindra i Jesoa manamafy izany hoe : “indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao” (Mt 28, 20b).

[Miara-dàalana] Zoma 27 septambra 2024

♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...