18 marsa 2024 — Alatsinainy, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 1-11)

Ry mpihaino hajaina, efa mamaram-parana ny karemy isika ka ny tenin’Andriamanitra no mampandinika antsika hoe: “Iza marina moa ity Andriamanitra arahantsika ity? Andriamanitra hitsara ve? Andriamanitra mpanasazy ve?” Ny Andriamanitsika kosa dia Andriamanitra mpampianatra ny tokony hatao. “Nanatona Azy ny vahoaka rehetra dia nipetraka nampianatra azy ireo Izy”, midika izany fa Andriamanitra dia mahafoy ny tenany, hanasoa ny hafa. Mahafoy fotoana ho an’ny hafa izy, indrindra tia mizara fahalalana ho an’ny hafa. Tsy tiany hipetraka amin’ny tsy fahalalana isika fa tiany ho vahoaka mahay.

“Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany”. Tsy nisy na iray aza sahy nitora-bato fa samy nihatakataka, ny zokinjokiny no lohalalana, ka i Jesoa irery sy ilay vehivavy sisa no tafajanona farany. Nahoana moa no ny zokinjokiny no nisintaka voalohany? Satria ny zokiolona dia heverina fa manam-pahendrena indrindra na mety koa ny mifanohitra amin’izany. Ka raha ny manam-pahendrena indrindra eo amin’ny fiaraha-monina aza tsy nanameloka rahefa avy nandinika ny tenin’i Jesoa, inona no hataon’ny tanora vao maitsovolo? I Jesoa koa dia tsy nanameloka ilay vehivavy, fa hoy Izy: “Mandehana dia aza manota intsony”.

Andriamanitra irery ihany no afaka mitsara antsika amin’ny maha mpahary Azy sy tompon’ny zava-drehetra, kanefa dia famindram-po no nasetriny an’ilay vehivavy. Ny tanjon’ireto Farisianina nanatona an’i Jesoa ireto, dia tsy finoana fa fakana fanahy Azy. Mora matetika ny manameloka fa sarotra ny mamindra fo. Ho avy tokoa ny fitsarana an’izao tontolo izao amin’ny fahafatesan’i Jesoa, fa handresy Izy amin’ny Paka ho mariky ny famonjena antsika. Averimberin’i Jesoa fa izay mitsara dia ho tsaraina ary izay famarana hamaranareo ihany no hamarana anareo koa (Mt 7,1s). Antoky ny famelana antsika ny famelana ny hafa araka ny vavaka nampianarin’i Jesoa: “Avelao ny fahotanay tahaka ny namelanay izay nanao ratsy taminay”.

Ry Ray ô! Na dia mendrika ny hokapohina aza izahay noho ny fahotanay dia nomenao fahafahana, nomenao famindram-po. Mba tsy ho mpitsara anie izahay fa mba ho mpamonjy amin’ny zavatra rehetra manoloana ny namanay. Amen.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...