29 febroary 2024 — Alakamisy, Herinandro Faharoa amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 19-31)

Raha ity fanoharana lazain’i Jesoa amin’ny Farisianina ity no dinihana, dia mampametra-panontaniana hoe: mifamadika àry ve izany ny fiainana rehefa any an-koatra? Ny mpanan-karena, niadana tety an-tany lasa midradradradra mijaly any amin’ny afobe rehefa maty. Moa ny mahantra, nijaly fadiranovana tety an-tany lasa sambatra any an-danitra rehefa maty. Mifamadika ve ny fiainana any an-koatra? Tsia avy hatrany ny valiny ary tsia mihitsy! Tsy mifamadika velively akory fa arakaraka ny nataonao ihany. Na mpanan-karena ianao na mahantra fadiranovana ianao dia samy afaka mankany an-danitra eo an-tratran’i Abrahama avokoa ary samy mety ho lasa any amin’ny afobe daholo raha tsy miaina ny didim-pitiavana. Ny didim-pitiavana dia ny fifankatiavana ary ao anatin’ny fifankatiavana no hifampitsinjovana sy hahafoizana ho an’ny sakaiza. Indrisy anefa fa tsy mba nijery an’i Lazara sakaizany akory ity mpanan-karena voky isan’andro eto noho ny elanelana be misy eo aminy sy i Lazara. Ny iray mitafy akanjo lafovidy, mirentirenty be, ankanjon’ny olona ambony (Akanjo jaky sy rongonim-bazaha madinika) fa ny iray kosa ferena, tsy mahatsangana akory fa maty noana lava (nivalàndotra). Eo am-bavahadiny izany hoe eo ambany masony mihitsy anefa i Lazara no mipetraka. Saingy tsy nojereny satria mifanalavitra ny hajany ka tsy hifandray mihitsy. Vokatr’izay, dia tsy norarahiny akory ity mahantra. Toy izany isika olombelona. Saingy mifanohitra amin’izany kosa ny tian’Andriamanitra ataontsika.

Inona àry no tian’i Jesoa ampitaina amintsika? Ny tian’i Jesoa Kristy ampitaina amintsika dia ny fahaizana mifampitsinjo, mifanampy ary mangoraka. Ny vintana sy ny anjara mantsy samy manana ny azy; ny fanomezam-pahasoavana ihany koa tsy àry mitovy; ary lalàm-piainana ny saranga tsy mitovy ara-toe-karena. Kanefa tsy izany akory no hifanavahana na hifampisarahana fa izany indrindra aza no tokony hifanampiana mba hifamenoana. Satria ny harena eto ambonin’ny tany dia tsy nataon’Andriamanitra ho an’olom-bitsy fa nataon’Andriamanitra ho an’ny olon-drehetra araky ny Boky Jenezy. Noho izany, dia manana adidy lehibe dia lehibe ny mpanan-karena hanampy ny mahantra noho izy nambinin’Andriamanitra manokana. Aza avela ny alika na ny biby no hitsetra, hangoraka ny mahantra (ny roran’alika mantsy manasitrana fery; izay no nilelafan’ny alika ny ferin’i Lazara). Fa isika samy olombelona no hasain’Andriamanitra hifangoraka. Ary ny fampianaran’ny Fiangonana dia mamporisika antsika hisafidy manokana ny fitsinjovana ny mahantra. Fanampin’izany, ny hantsana mankadiry natao hanelanelana any an-koatra dia milaza amintsika fa eto an-tany mbola velona ihany isika no manan-tsafidy: na hanao tsara dia lasa any an-danitra na hanao ratsy dia lasa any amin’ny afobe; fa rehefa maty, tsy misy hevitra intsony, tsy manan-tsafidy intsony isika. Koa araraoty ny fotoana hanaovan-tsoa dieny mbola velona mba tsy hanenina. Aza manaiky ho sarantsarahan’ny saranga tsy mitovy fa aoka isika hifanampy amin’ny mahaory, hifanome tànana amin’ny sarotra, hifangoraka dieny mbola manan-tsafidy isika.

Koa ampanjakao ao am-pontsika mandrakariva àry ny tenin’Andriamanitra (dia i Moizy sy ny Mpaminany izany) mba hahalalantsika ny tsara tokony hatao mba tsy hanenenana.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...