25 febroary 2024 — Alahady Faharoa amin'ny Karemy — Tao anatin’ny rahona mamirapiratra, no re ny feon’ny Ray nanao hoe: Ity no Zanako malalako: henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 1-9)

I Jesoa niova tarehy moa no resahan’ny Evanjely amintsika amin’ity alahady faharoa amin’ny karemy ity. Fa inona tokoa moa no dikan’ny fiovan’i Jesoa tarehy ? Dia izao: ao amin’ny Testamenta Taloha, indroa ihany Andriamanitra no niseho. Ny voalohany, tamin’ny fanekem-pihavanana tao Sinaia ao amin’ny Eksaody 19 izay
nihaonan’i Moizy tamin’Andriamanitra tany an-tampo tendrombohitra Sinaia. Ka tamin’izay no nisehoan’Andriamanitra tamin’ny heriny sy ny voninahiny. Ny faharoa, tamin’ny nihaonan’i Elia mpaminany tamin’Andriamanitra tany an-tendrombohitra Horeba (1 Mpanjaka 19) izay nisehoan’Andriamanitra tamin’ny
heriny sy ny voninahiny ihany koa. Fa taty amin’ny Testamenta Vaovao dia tsy nisy afa-tsy ity fiovan’i Jesoa tarehy ity ihany no nisehoan’Andriamanitra. Satria eto i Jesoa dia nampiseho ny maha-Andriamanitra Azy na dia olombelona ihany koa aza. Ka ity fiovan’i Jesoa tarehy ity no fisehoan’Andriamanitra ato amin’ny Testamenta Vaovao.

Araka izany, ireo izay efa nahita an’Andriamanitra no niresaka taminy. Izay no mahatonga an’i Moizy sy Elia teo anilan’i Jesoa; satria ny fahatanterahan’ny lalàna (tamin’ny alalan’i Moizy) sy ny mpaminany (tamin’ny alalan’i Elia) dia ao amin’i Jesoa no tanteraka. Ka ny fisehoan’i Jesoa amin’ny maha-Andriamanitra Azy eto dia milaza amin’i Piera sy i Jakôba ary i Joany fa mahefa ny zavatra rehetra Izy; ka tsy maintsy ho tonga amin’ny voninahiny. Koa na dia handalo fijaliana sy fahafatesana aza Izy dia tsy maintsy handresy. Saingy tsy azon-dry zareo ireto izany na dia efa nanambara mialoha aza i Jesoa ao amin’ny toko faha-8, 31; izay no nahatonga azy ireo “nifampaka saina ny amin’izay hevitr’izany hoe : mitsangan-ko velona izany” teo. Tsy azoazony satria nampoiziny fa tsy ho faty ny Mesia. Tsy maintsy hijaly sy ho faty anefa ny Mesia fa hitsangan-ko velona ao aorian’izay, ka izay no nitondran’i Jesoa azy telo lahy ireo mba hanomanany azy mialoha. Noho izany, ny fiovan’i Jesoa tarehy dia mampiseho mialoha fa hitsangan-ko velona Izy ao aorian’ny fijaliany sy ny fahafatesany. Izany hoe tsy maintsy mandalo fijaliana aloha vao mahazo fahasambarana. Izany no midika fa ny lalan’ny famonjena dia tsy mora fa tsy maintsy hisedrana zava-tsarotra sy mafy. Koa raha te-hiova marina tokoa dia tsy maintsy miharitra fijaliana.

Izany no hevitr’ity fiovan’i Jesoa tarehy ity. Mitory amintsika izany fa ny fiovam-piainana sy ny fiovan-toetra dia tsy mora. Mampijaly ary sarotra ny miala amin’ny mahazatra. Kanefa ny tarehy ratsy aza efa azo ovana ankehitriny, koa ny toetra ratsy indray ve no tsy ho voaovantsika? Koa manomana antsika àry eto i Jesoa mba ho vonona isika hiatrika ady, hiatrika fijaliana amin’ny tena fiovana marina tokoa. Miantso antsika Izy mba hampiseho ny tena maha-isika antsika, dia ny maha-kristianina antsika, endrik’Andriamanitra, endrik’i Kristy. Koa aza menatra na matahotra manatanteraka izany fa tsy maintsy misy fihafiana vao afaka mahaova zavatra. Tahaka ny olona iray manena vatana, manena lanja ohatra, dia miafy sy mifady sakafo tena tiana mba ahazoana vatana tsaratsara kokoa. Toy izany koa no andrasan’i Kristy amintsika. Mifady ny toetra ratsy isan-karazany amin’izao karemy izao mba hahazoana toetra tsaratsara kokoa ho entina mandresy miaraka amin’i Kristy amin’ny Paka. Tsy mora izany ary mampijaly kanefa tena mahavonjy.

Ka ny fiovana ataontsika dieny izao sahady anie ho santatry ny fandresentsika rahatrizay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...