9 febroary 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 31-37)

Feno fanaovana fahagagana ny andron’i Jesoa Kristy anio, araka ny lazain’i Evanjely. Fanasitranana no asabe notontosainy androany. Fanasitranana ilain’ny vatana amam-panahy ary ny saina. Mahagaga fa raisiny ireo olona ireo ary ametrehany tànana. Hoatran’ny hoe mila fifampikasohana aminy vao sitrany ireo marary. Inoana marina tokoa fa zava-dehibe ny fifampikasokasohana amin’i Kristy raha te hositrana amin’ny aretinao ianao. Mazàna ny fanalavirana Azy no ataontsika rehefa ela naharariana isika, tsy miditra am-piangonana intsony, tsy te handre ny resaka fivavahana mihitsy ihany koa. Tsy mba toy izany no nataon’ireto olona narary nametrahan’i Jesoa tànana dia sitrana avy hatrany.

Manambara ny fitiavan’Andriamanitra antsika olombelona ihany koa ireo karazam-pahagagana voalaza teo, satria Andriamanitra miray petsapetsaka amintsika no hita maso sy azo tsapain-tànana. Andriamanitra mangoraka ny Andriamanitsika fa tsy avelany hijaly sy hanjakan’ny karazan’anretina isika olombelona. Andriamanitra tsy tia “publicité” ilay Andriamanitsika satria: “tsy mitabataba ny soa sy ny tsara, fa tsy ahavitana ny soa sy ny tsara kosa ny tabataba” : “le bien ne fait pas du bruit; le bruit ne fait pas du bien”.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...