8 febroary 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 24-30)

Mety misy amintsika amin’izao fotoana izao no mila fahagagana manokana avy amin’Andriamanitra: fahombiazana eo amin’ny fanabeazana ny zanaka, fahasitranana, fahitana asa sy vola, filaminan’ny tokantrano, fahitana vady, fandriam-pahalemana, fibebahan’ny mpanota… Mampianatra antsika hahazo valim-bavaka avy amin’Andriamanitra ny toe-po sy toe-panahy nananan’ity vehivavy jentily ity.

Vavaka hafakely no nataony, ary vavaka nampiaiky volana an’i Jesoa Kristy, koa tsara raha alaintsika tahaka ihany koa. Vavaka feno fahatokisana an’Andriamanitra io vavaka io. Feno fahatokisana satria mino ity ramatoa ity fa i Jesoa irery no Mpanasitrana. Vavaka feno fanetren-tena ihany koa ity vavaka ity. Nanana fanetren-tena ity ramatoa ity satria nila an’i Kristy ho fanasitranan’ny zanany vavy kely, tsapany fa tsy mamaha ny olana rehetra ny vola aman-kareny na ny fahafantarana olona hatraiza hatraiza. Nanana fanetren-tena ramatoa manoloana ny teny marina sy mafy nambaran’i Jesoa taminy, fa ny zanak’alika mila miandry ny anjara tandrify azy fa tsy afaka mialoha ny tompony. Ny fanekena ny marina no endrika nanehoan’ity ramatoa ity ny fanetren-tenany. Vavaka naharitra, nahitana lemozy ity vavaka nataon-dramatoa ity. Ao anatin’ny lemozy ihany koa no ahitana ny finoana satria eo no ahafantarana raha tena ilaina sy mbola ilaintsika ny zavatra angatahantsika amin’Andriamanitra.

Ndeha àry isika, hahay haka tahaka an’ity ramatoa jentily ity rehefa mivavaka amin’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...