5 febroary 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 53-56)
Fomba fitoriana Vaovao Mahafaly hafa kely no asehon’i Jesoa Kristy antsika anio: mitety tanàna izy sy ny mpianany; tsy miteny sady tsy mivolana fa manasitrana kosa izay olona manana aretina sy fahasembanana mihaona aminy. Amin’ny alalan’ny fihetsika no itoriany amin’ireo olona ireo fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra. Asaina hampitombo bebe kokoa ny fihetsika mendrika isika eo am-panatontosana ny asam-pitoriana ny Vaovao Mahafaly amin’ny toerana izay anirahan’Andriamanitra antsika, fa ireo no mora hitan’ny olona avy hatrany ka manosika azy ireo hino bebe kokoa an’Andriamanitra.
Fomba hafakely ihany koa no anehoan’ny olona ny finoana satria amin’ny alalan’ny fikasihana an’i Jesoa dia efa ahatsapany fahasitranana sy ahitany fahagagana. Io faniriana te hifampikasokasoka amin’i Jesoa io no angatahana mandrakariva amintsika kristianina hananana. Fa faniriana mila arahana finoana ihany koa fa hitera-bokatsoa eo amin’ny fiainantsika sy fiainan’ny ankohonana sy ny fiaraha-monina.