1 janoary 2024 — Masina Maria Renin'Andriamanitra — Fankalazana manetriketrika — Fahiny, tamin’ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny Mpaminany; fa amin’izao andro farany izao kosa, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 2, 16-21)

Ry mpihaino hajaina, miarahaba antsika rehetra tratran’ny taona vaovao 2024. Ity andro anio ity ny Eglizy dia mankalaza ny fetin’i Masina Maria Renin’Andriamanitra. Andro natokana ihany koa ho andron’ny fiadanana, mandefa hafatra ho antsika ny Papa Ray Masina isaky ny taom-baovao toy izao. Tian’Andriamanitra loatra isika, tsy navelany ho very na ho faty noho ny fahotana isika ka naniraka ny Zanany lahitokana Izy (Jo 3, 16) ka ny hahatonga Nofo an’i Jesoa no tanjon’ny Ray ka niantso sy nifidy an’i Maria hiara-miasa Aminy Izy. Hoy ny Anjely: “Arahaba, ry ilay feno hasoavana, ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao” (Lk 1, 28). Hoy ihany izy: “Aza matahotra ry Maria fa sitrak’Andriamanitra ianao ka hiteraka zazalahy ary Jesoa no hataonao Anarany” (Lk 1, 30). Ny haha-reny an’i Masina Maria dia voalazan’ny Anjely mazava tsara fa: hiteraka zazalahy izy.

Ny fahatongavana ho renim-pianakaviana dia mila fiomanana mialoha, tsy tongatonga ho azy, tahaka ny fiomanana hita aty amintsika ihany: misy ny dingana tsy maintsy arahina amin’ny fomba malagasy: fanaovana vodiondry sy ny tapimaso ary miroso amin’ny fisoratana ara-panjakana sy ny tso-drano any am-piangonana. I Maria anefa mbola tsy nisy fombafomba mihitsy, afa-tsy hoe fofombadin’i Masindahy Josefa. Ny hoe fofombady mantsy dia midika fa mbola tsy mpivady, tsy miray trano fa mpifankatia hiroso any amin’ny tokantrano. Miandry ny fotoana ny fampakarana. Teo indrindra àry i Maria no nandinika sy nieritreritra ny fiarahabana azy fa tsy ho tanteraka izany haha-reny azy izany satria mbola tsy manambady Izy. “Ahoana no hahatongavan’izany fa tsy mahalala lahy aho?”, hoy Izy (Lk 1,34).

Tsy mamela irery Andriamanitra amin’ny ady sarotra, amin’ny fampanantena nataony: “aza matahotra”, ampy ho antsika ny mitoky aminy sy matoky izay lazainy. Satria hoy ny Anjely: “Ny Fanahy Masina no ho tonga aminao ary ny herin’ny avo indrindra no hanaloka anao noho izany hatao hoe Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao” (Lk1,35). Ny mpiandry ondry moa dia nanamarina fa teraka zazalahy tokoa i Maria ka lasa nanambara tamin’ny olona rehetra izay rehetra hitany ary i Maria kosa nitadidy sy nieritreritra izay zavatra rehetra nitranga taminy ary namora ny zaza rahefa afaka havaloanandro. I Kristy ilay fiadanana ho antsika, Izy no torìntsika sy ambarantsika amin’ny olona rehetra.

Ry Ray ô! mba tsimbino manokana ireo izay rehetra eo am-piomanana amin’ny fanorenana tokantrano. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...