12 desambra 2023 — Talata, Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Indro avy ny Mpanjaka, Tompon’ny tany, ary Izy no hanafaka antsika amin’ny jiogam-panandevozana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 18, 12-14)
Miteny amin’ny mpianany eto i Jesoa. Manontany ny hevitr’izy ireo: “ahoana ny hevitrareo?”. Fa tsy namaly na naneho hevitra ireto mpianatra. Fa i Jesoa ihany no mamaly ny fanontaniana eto amin’ny alalan’ity fanoharana ity. Ondry zato analana iray. Koa raha lasa ny iray dia mazava loatra fa sivy amby sivifolo sisa tavela. Sary an’ohatra no entin’i Jesoa milaza ny hevitr’Andriamanitra amintsika. Ondry sy olona tompon’ny ondry. Mba hampazava tsara ao an-tsaintsika ny fiahian’Andriamanitra antsika sy mba ho tsapantsika ny lanjan’ny fitiavan’Andriamanitra antsika dia nampiasa isa mihitsy i Jesoa: zato (100). Mazava ho azy araka izany fa ity olona tompon’ny ondry ity dia Andriamanitra ary ny ondry zato dia isika olombelona.
Isa 99 sy isa 1. Raha amin’ny fisainantsika olombelona dia izay isa lehibe no safidintsika sy tiantsika. Iza koa moa no haka ihany dia haka ny kely eo. Efa voajanahary ao amintsika olombelona ny misafidy ny tsara sy lehibe satria isika nohariana ho amin’ny tsara. Saingy Andriamanitra mihoatra lavitra ny fisainantsika olombelona. Amintsika olombelona no hoe izay miala na misaraka amin’ny maro no fasika; izany hoe kely sy bitika ary tsy manan-kery. “Vato iray ve dia mba ho aiza?”, hoy ny fitenenana. Fa amin’Andriamanitra, sarobidy avokoa isika rehetra na dia izay heverina ho tsinontsinona aza. Ka tiany ho vahoaka tokana sy andian’ondry tokana isika. Noho izany, tsy avelan’Andriamanitra ho very fotsiny amin’izao isika fa tadiaviny mihitsy, karohiny. Misahirana amintsika mihitsy Andriamanitra. Izay no hilazan’i Jesoa hoe: “tsy tian’ny Ray hisy very isika na dia iray aza”, na dia izay heverina ho madinika indrindra aza.
Ka io fampianaran’i Kristy io ihany koa no hiainan’ny Fiangonana. Safidy manokana ho amin’ireo mahantra sy madinika; ireo izay voahilika sy atao an-kilabao. Mety izy ireny nahiliky ny fiaraha-monina noho ny elanelana sy sarangam-piainana, ary mety nahiliky ny toe-pahotana sy ny fijaliana fa tsy sanatria akory sitrapony no ndeha ho very amin’izao. Ka sarotiny ny Fiangonana amin’ireny zanak’Andriamanitra ireny ary miaro sy mitsimbina azy ireny mandrakariva ny Fiangonana eo anatrehan’ny tsy rariny. Izany no fanahafantsika an’Andriamanitra izay tokony ataontsika ary efa ataontsika, satria isika ao anatin’ny Fiangonana. Koa esory àry, ny ahiahy sy ny tebiteby fa tsy manadino antsika akory Andriamanitra: na mavomavo ianao, na fadiranovana ianao, na singany irery ianao, na esoin’ny olona ianao dia tian’Andriamanitra sy soaviny ary mahafaly Azy foana.
Koa fanantenana lehibe ho antsika ny fiavian’i Kristy izay hiomanantsika, satria Ilay Andriamanitra tsy manavakavaka sy tsy manilikilika no tonga eo amin’ny fiainantsika. Tsy ny besinimaro ihany akory no sitrany fa na dia vitsy sy kely indrindra aza dia ao am-pony lalandava. Koa tiavo ary tadiavo toy izany koa ireo namantsika maniasia.