Alakamisy 19 marsa 2020 —  Masindahy Josefa, vadin'i Maria Virjiny — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 16. 18-21. 24a — Sambatra izay monina ao an-tranonao, ry Tompo, ka midera Anao mandrakizay.

0 : 00

Araka ny volazan'ny Evanjely teo, i Masindahy Josefa dia lehilahy marina. Nahazo antso avy amin'Andriamanitra izy noho izany ho ray hitaiza ny Zanak'Andriamanitra, dia i Jesoa. zava-dehibe eo amin'ny fiainana izany fanomezan'Andriamanitra andraikitra azy izany satria nitokisan'Andriamanitra izy. Mahatoky ny olona rehefa tendrena hanana andraikitra, toy ny maha raim-pianakaviana an'i Josefa. Olo-marina i Josefa satria nikasa ny hametraka mangingina an'i Maria izay bevohoka ; anisan'ny henjehin'ny lalàna sy ny fiaraha-monina jody ny fananan'ny vehivay anaka raha toa mbola tsy niray trano ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray. Ny vehivavy toa izany dia toraham-bato. Ny faneken'i Josefa ny tenin'Andriamanitra no ohatra velona ho antsika ; ho vonona mandrakariva hihaino an'Andriamanitra na dia mifanohitra amin'ny sitrapon'ny tena aza. I Jesoa ihany no nampianatra antsika hanatanteraka lalandava ny sitrapon'Andriamanitra.

Koa manana ny fandaharany àry Andriamanitra ny momba an'i Josefa. Tsy vitan'ny hoe hampakatra an'i Maria ho vadiny ihany no andraikitra maha-ray ankinina amin'i Josefa, fa hitaiza sy hamelona ny ankohonany. Niaro an'i Jesoa zazakely sy i Maria Reniny teo anatrehan'ny fanenjehana nataon'i Herôda mpanjaka. Noho izany, môdely ho an'ny raim-pianakaviana rehetra izy amin'ny famelomana sy ny fiarovana ny ain'ny ankohonany. Maro ireo maka an'i Masindahy Josefa ho mpiaro azy noho izy lehilahy marina sy ny fandraisany andraikitra: Fiangonana, Sekoly, Fikambanana eny hatramin'ny fianaviana tsirairay aza.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...