23 nôvambra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 41-44)

Mampitomany an’Andriamanitra sa mamalifaly Azy ny fihetsika sy fiteny ataontsika ankehitriny? I Jesoa mitomany ny amin’ny Jerosalema no lazain’ny Evanjely anio. I Jesoa malahelo satria tia. Mety mbola hitomany hatrany Izy ankehitriny raha toa ka tsy mahatsapa ny fitiavany antsika isika. Tia antsika mantsy Izy matoa mitomany toy izany ary mbola vonona ny hananatra sy hanitsy amin’ny tsy mety ataontsika Izy ao ambadik’izao ranomasony izao; tia antsika Izy matoa misahirana andro aman’alina mitady antsika very hiverina ao am-bala tokana. Fa mampitomany Azy kosa ny fanànana fo vato manoloana ny fampianarana sy fanentanana ataony hiovantsika; hibebahantsika; mampitomany Azy fatratra ny fandavantsika handray Azy, ilay Mpitondra fiadanana eto an-tany. Azo heverina fa ireo be marenina sy manana fo vato ary ireo minia ho jamba no mampitomany Azy hatramin’izao.

Mahay mamalifaly Azy kosa anefa isika rehefa mahatsikaritra ny fitiavany sy ny tenin’ny fiadanana entiny; mahay mamalifaly Azy isika rehefa mahay mandray Azy ao am-po ka vonona ny hiaina an’izany; mahay mamalifaly Azy isika raha toa ka manokatra ny sofintsika hihaino sy hanatanteraka eo amin’ny fiainana izay lazainy.

Mila ny fanetren-tenantsika izany; mila ny fisokafana amin’ny fahasoavan’Andriamanitra indrindra indrindra, satria izany no ahafahana maheno sy mahatsapa ny fitiavany antsika sy ny famonjena ho antsika, koa angataho àry Izy Tompo, hanampy sy hamolavola antsika.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...