Alatsinainy 09 marsa 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 36-38 — Ny tsara no tadiavo fa aza ny ratsy mba ho velona ianareo ka homba anareo ny Tompo.

0 : 00

Marina fa samy manana ny toetrany ny olona tsirairay avy, nefa i Kristy eto dia miteny mba hananana ny hatsaran'Andriamanitra tsy misy fetra : mpamindra fo, mpamela heloka, tsy mitsaratsara ivelany, be fiantrana. I Masindahy Joany dia milaz fa Andriamanitra dia fitiavana, ary Masindahy Lioka kosa eto dia manamafy fa Andriamanitra dia mpamindra fo. Matetika i Kristy no manantitrantitra ireo toetra ireo. Marina fa lavorary tahaka an'Andriamanitra Ray Izy nefa tiany ihany koa isika hanatratra izany fahalavorariana ananany izany.

Amin'ny maha olombelona tokoa mantsy dia toa mifanohitra amin'izay toetra takian'i Kristy izay no mitranga eo amin'ny fiainantsika : masiaka, be fo, malaky tezitra, mitsaratsara olona eto ivelany, manao an-dolom-po aza indraindray eny fa mety manana fo lentika ihany koa. Mahihitra tsy mijery ny fahorian'ny hafa, tsy azo ifampiresahana na hoe tsy tohinina mihitsy. Ezaka tokoa ny Karemy, mba hiovana araka ilay fomba fiteny hoe: "Ny tarehy ratsy no tsy azo hovana, fa ny toetra ratsy azo ialana". Mariky ny fibebahana izany fiovan-toetra izany koa izay mahatsapa tena fa tsy mifanaraka amin'izay toetra ambaran'i Kristy eto izay dia aoka handini-tena ka handray fanapahan-kevitra ka hanatanteraka ny fampianarany fa tsy hoe : "Inona no hidirako ?" Tadidio fa izay famarana namaranareo ihany, hoy i Kristy, no hamarana ho anareo ihany koa.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...