16 ôktôbra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-42)

Ry mpihaino hajaina, mora mino isika rahefa mahita maso sy porofo. Notenenin’i Jesoa mafy anefa ireto vahoaka maro be nitangorona nanaraka azy. Hoy Izy: “Taranaka ratsy ity taranaka ity, mitady famantarana izy, nefa tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jonasa mpaminany”. Inona moa ireto famantarana tadiavin’ireto vahoaka ireto? Nitady fahagagana tamin’i Jesoa izy ireo. Ny fahagagana tokoa mantsy anisan’ny famantarana lehibe fa momba azy Andriamanitra. Tahaka an’i Elia izay nangataka fahagagana tamin’Andriamanitra nanoloana ireo Baala mpifanandrina taminy (1 Mpanj 18, 37-39). Nangataka tamin’Andriamanitra ny fahagagana mba hinoan’ireo izay nanatrika azy sy ireo mpifanandrina aminy fa misy tokoa ilay Andriamanitra izay naniraka azy.

Tsy izany anefa no niseho tamin’ireto vahoaka maro nitady famantarana tamin’i Jesoa ireto, fa tsy nankato izany fanirian’izy ireo izany i Jesoa. Tsy ny hibebahan’ny olona vetivety ve no tanjona ary koa ireto olona dia marobe no nitangorona. Tsy lalana sy fomba mora hampibebahana ny olona ve ny famantarana? Nolavin’i Jesoa izany fa ny famantaran’i Jonasa no nolazainy. Noho izany tsy lalana nosafidin’i Jesoa loatra amin’ny fampibebahana ny olona ny famantarana. Indrisy fa misy tokoa isika no mivadi-pinoana, rahefa marefo ny finoantsika manoloana ireo fanentanana mambabo antsika.

Ampy ny mino an’i Jesoa dia ho voavonjy. Ampy ny mino Azy, Zanak’Andriamanitra, ilay nirahin’Andriamanitra, izany hoe ampy ny mino ny tenan’i Jesoa. Izay mino Ahy dia hanana ny fiainana mandrakizay. Ny finoana dia tsy mila porofo sy hazavana tahaka ny masoandro daholo. Ireo mponin’i Niniva rahefa naheno tamin’i Jonasa hoe: “horavana i Niniva rahefa afaka efapolo andro” (Jon 3, 4) “nino avy hatrany izy ireo ka niantso fifadian-kanina sy nitafy lasaka avokoa na kely na lehibe” (Jon 3, 5), izany hoe naneho fibebahana avy hatrany fa tsy niandry famantarana. Ny fo misokatra vonona handray sy hihaino an’Andriamanitra no mampiova ny fiainana ary hahazoana fahagagana lehibe. Izay no tadiavin’Andriamanitra amintsika. Fitaovana ihany ireo irahina rehetra fa mbola lehibe lavitra noho ireo i Jesoa izay tokony hohenoina sy hinoana avy hatrany noho Izy ilay Zanak’Andriamanitra. “Misy lehibe nohon’i Salomona sy Jonasa eto”. Lk 11, 32.

Ry Ray ô, sokafy ny fonay hahay handray ny tenin-janakao. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...