14 septambra 2023 — Ny nandratana ny Hazofijaliana — Fankalazana — Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Kristy, satria tamin’ny Hazofijaliana no nanavotanao izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 13-17)

Mankalaza ny nanandratana ny Hazofijaliana ny Eglizy izao, dia ilay Hazofijaliana nentin’i Jesoa nandresy an’izao tontolo izao. Nasaina nolanjainy ny Hazofijaliana hamantsihana Azy. Teny an-dalana, noterena nanampy Azy i Simona lehilahy Sireniana hitondra izany. Noho ny havesaran’izany hazo izany dia nianjera impiry Izy fa niarina hatrany. Ary rehefa tonga teny antampon’i Kalvery dia naboridana imasom-bahoaka ka nofantsihana teo amboniny, nasandratra teo anelanelan’ny tany aman-danitra, natao teo afovoan’ny jiolahy roa, nampitoviana torosy tamin’ny jiolahy ka niara-nofantsihana taminy, nolefonina, ary nanolotra ny fara-fofonainy tamin’ny Rainy. Ka ilay hazo fahafaham-baraka fahiny ho an’izay mihantona aminy nanjary toy ny tohatra mampitohy ny lanitra sy ny tany, toy ny sambondanitra mitondra mankany an-danitra, ilay faharesena niova ho fandresena, araka izany. Manjary mazava ity resany tamin’i Nikodema ity tamin’ny fahatanterahan’izany: “Tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy Izay nidina avy tany an-danitra ihany, dia ny Zanak’olona izay any an-danitra” Izay no ambaran’ny hazo mitsatoka amin’ny hazofijaliana; ary ny hazo mitsivalana kosa maneho ny famondronana antsika olombelona rehetra ka ilazany hoe: “Mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay” I Md Paoly aza milaza fa tsy ny ety an-tany ihany fa “ny any ambany” koa, na “ny hita na ny tsy hita” Koa ny hazo mitsatoka sy mitsivalana mitambatra no antsoina hoe hazofijaliana. Tsy mety araka izany ny manasaraka azy fa raha mitsatoka fotsiny dia ho tsangan-kazo, ary raha ny mitsivalana fotsiny dia ho hidim-pahitra angamba na hidin-trano.

Famantaram-pamonjena noho izany ny Hazofijaliana efa nentin’i Jesoa nandresy ka isika izay mitondra hazofijaliana koa aoka handresy toa Azy fa tsy hilofika na ho kivy. Iaraho mitondra aminy, araka ny voalazany. Satria lalana mitondra mankamin’ny famonjena izany hazofijaliana izany, indrindra raha haintsika ny mampiasa azy. Fa izao koa, aza mampitondra hazofijaliana ny hafa fa ny anjarany aza efa manahirana azy. Ny mifanohitra amin’izany no tsara dia ny hoe iaraho mizaka ny hazofijaliany e! Ny entan-jaraina mantsy mora zaka, ka amin’izay tsy roa ianareo no mitondra fa lasa telo satria izy dia ianao ary i Jesoa.

Eto am-pamaranana, aoka tsy hatao fombafomba fotsiny ny fanaovantsika famantaran’ny hazofijaliana ho fanombohana sy famaranana ny vavaka atao, na atao kopa-dalitra fa tena atao amin’ny fo tokoa amin’ny maha famantaram-pamonjena azy, fara faharatsiny ahay amin’ity andro anio ity. Aza menatra ny finoantsika isika fa ataovy ary kajio tsara.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...