19 aogositra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 13-15)

Mampiavaka ny Andrimanitra ivavahantsika, ry havana, dia Izy miandany amin’ny madinika; hatrany amin’ny fanekem-pihavanana taloha dia efa izany no fomban’Andriamanitra; ohatra i Môizy fahazaza, i Samoela kely, i Davida mpiandry ondry, i Joany mpianatra malala, sy ny maro hafa dia toa ireo faralahin’olona no entin’Andriamanitra manatanteraka zava-dehibe eo amin’ny tantaram-pamonjena. Miharihary izany ao amin’i Jesoa voalazan’ny Evanjely teo: nandray sy nitia manokana ny ankizy, nitso-drano azy ireo ary nanambara fa ny toetry ny ankizy no modely ho an’izay mikatsaka ny Fanjakan’Andrimanitra.

Manana adidy tokoa isika mitondra ireo tsy mahalala sy ireo manana antony hafa tsy ahafahany manatona an’i Jesoa Mpamponjy; ao ireo tsy mahalala, ao ireo manana sakana hafa. Ho an’ny ray aman-dreny indrindra dia zon’ny ankizy ny manana Andrimanitra ivavahana ka adidin’ny ray aman-dreny no mitondra ny zaza sy ny ankizy hanatona an’Andriamanitra marina. Aoka isika tsy ho sakana tsy ahafahan’ny olona manatona ny Mpamonjy. Toe-tsaina mety hahavoa antsika ny manilika sy manavakavaka azy ireny. Ny taom-pahazazana no amolavolana sy irafetan’ny maha izy ny olona; noho izany mbola zaza izy dia efa atoro ny marina sy ny tsara.

Ny toetry ny ankizy no modely ho an’izay mikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra: tsotra, marina, matoky, madio fo sy fanahy, manaiky sy manetry tena. Izany hatsaram-panahy rehetra izany dia tena ankasitrahan’Andriamanitra tokoa ka tsy maintsy katsahina, tsy maintsy kolokoloina satria izany no fanjakan’Andriamanitra sy sitra-pon’Andriamanitra; izany no famonjena. Amen.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...