Zoma 06 marsa 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 20-26 — Tsy ny hahafatesan'ny ratsy fanahy no sitrako fa ny hialan'ny ratsy fanahy amin'ny lalany ka ho velona izy.

0 : 00

Ry Kristianina Havana! Mbola manamafy amintsika izay voalaza omaly ihany i Jesoa amin’ny fampianarany ho antsika androany dia ny fifankatiavana satria tiany hihavana ny olon-drehetra. Na dia voatandrintsika sy arahintsika antsakany sy andavany aza ny didin’Andriamanitra dia tsy misy dikany raha tsy misy izay tena fitiavana izay. Fehezin’ny fitiavana roa lehibe moa io didin’Andriamaitra io dia ny fitiavana Azy Andriamanitra sy ny fitiavana ny olona mitovy amin’ny tena. Zava-dehibe tokoa io fifankatiavan’ny samy olombelona io, satria io no didy vaovao sady lehibe indrindra nampianarin’i Kristy. Zary zava-poana ny fivavahana sy ny sorona atolotsika amin’Andriamanitra raha ratsy ny fihavanantsika amin’ny mpiara-monina. Hoy indrindra i Jesoa: "Raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny otely ianao, ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, dia avelao eo amin’ny otely aloha ny fanatitrao, ka mandehana mihavana amin’ny rahalahinao vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray."

Tsy moramora tokoa ny tena mitia marina fa mitaky ezaka goavana amintsika. Maro amintsika mantsy no mbola manao am-po na manao an-dolom-po ka mahavita mamaly faty raha misy olona na namantsika diso tamintsika. Sarotra amintsika ny hoe tena hamela marina nefa dia vavaka fanaontsika isan’andro amin’ilay vavaka tsara indrindra nampiararin’i Jesoa, vao naroso tamintsika teto andro vitsivitsy lasa izay ny hoe: "« "Avelao ny fahotanay, tahaka ny hamelanay izay nanao ratsy taminay". Ataon’Andriamanitra ahoana moa no hamela ny helotsika raha tsy isika samy isika aloha no mifamela. Manan-danja amintsika ny teny hoe: "Fihavanana" ary soatoavina maha Malagasy antsika. Hamafisin’i Jesoa ny maha sarobidy izany fihavanana izany. Tsy hisy anefa io fihavanana sy fifankatiavana io raha tsy misy fandeferana, ary indrindra raha tsy misy ny famelan-keloka amin’izay noheverina fa nahavita ratsy tamin’ny tena. "Toy ny lohalika sy laferana, ka izay miantraika vasoka, fa izay mandefitra kosa mandina"; ary hoy i Md Paoly hoe: "Mandefitra amin’ny zavatra rehetra ny fitiavana". Koa manàna àry izany toe-panahy mahalefitra izany isika hampanjakantsika fitiavana ary aoka tsy ataontsika ambanin-javatra io fampianaran’i Jesoa io fa mitaky fampiharana eo amin’ny fiainana andavanandro.

Ry Tompo Andriamanitra Rainay ô! Aoka anie ny Fanahinao hampianatra anay ny tena fihavanana marina, amin’izao vanim-potoanan’ny Karemy diavinay izao. Amen!

[Miara-dàlana] Zoma 15 nôvambra 2024

  • Manohina ny fon'i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, hoy ny Hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivorian'izy ireo...
  • Voafidy ho Filohan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Mandray anjara lehibe amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, hoy i Mgr Fridolin Ambongo Besungu, Arsevekan'i Kinshasa, Filohan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...