22 jolay 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 14-21)
Ry kristianina havana! Ny fiainan’i Jesoa manontolo dia maneho fanompoana sy fitiavana noho izy manatanteraka ny sitrapon’ny Ray naniraka Azy. Fanompoana fanehoana fitiavana no asehony fa tsy sanatria fanompoana an-tery na tsy maintsy noho ny tombon-tsoa tahaka ny hiain’ny zanak’olombelona sasany ankehitriny. Ao amin’i Jesoa tokoa no tanteraka sy lavorary izay rehetra ambaran’Andriamanitra momba ny mpamonjy tamin’ny alalan’ireo Mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha. Tsy mahagaga raha mahazo toerana sy miasa betsaka ao amin’i Jesoa ny “Fanahy” mba ahafahany manefa an-tsakany sy an-davany ny asa fanompoana fanehoam-pitiavana ataony dia ny fitoriana sy fampanjakana izay fitiavan’Andriamanitra izay amin’ny foko amam-pirenena rehetra.
Aoka ho tsapantsika mandrakariva ny halehibe sy halalin’ny fitiavan’Andriamanitra antsika olombelona satria na mpanotra aza isika, na manao ahoana na manao ahoana mety ho fiainantsika dia tsy avelany ho faty na ho very ao anatin’izany tsy fahalavorariantsika izany isika na ny fahotantsika fa havotany sy vonjeny mandrakariva tamin’ny alalan’ny fanirahany ny Zanany ho ety amintsika ka nanehoany izay fanompoany an’Andriamanitra sy isika olombelona izay. Tsy nikely soroka i Jesoa nanatanteraka izany iraka izany tamin’ny alalan’ny fampianarana, fanasitranana sy fahagagana maro, fandroahana fanahy maloto amin’ny toerana sy tanàna maro, manoro antsika olombelona ny lalana marina mankany amin’ny tena fahasambarana any amin’ny Ray. Ny hampanjaka io fitiavan’Andriamanitra eo amintsika io no nimasoan’i Jesoa mandrakariva ka ny ainy mihitsy no nafoiny ho porofon’izany fitiavana izany ho entiny manatanteraka ny sitrpon’ny Ray. Ny nentin’i Jesoa nanatanteraka izany dia tamim-panetren-tena sy fitiavana ary fahafahana anaty tanteraka araka ny voalazan’ny mpaminany nambaran’ny Evanjely teo hoe “tsy hifanditra izy, na hiantso mafy, tsy hisy handre ny feony eny an-dalana…”.
Araka izany àry ry kristianina havana dia aoka isika ho resy lahatra fa tena tia antsika Andriamanitra ary io fitiavany io dia hita taratra ao amin’i Jesoa Zanany izay nirahiny namonjy antsika. Rehefa ao amintsika izany faharesen-dahatra izany dia tsy ho voarebirebin’ny ravina atentina na ny firehan-kevitra misarika antsika etsy sy eroa isika ka hanao tsinontsinona na hanary mihitsy aza izany fitavana izany. Tsarovy fa ny hamonjy antsika olombelona rehetra no tanjon’Andriamanitra ka matoa isika tsy voavonjy dia isika mihitsy no manary izany fitiavany izany. Maro ny rivotra mitsoka eto amin’izao tontolo izao ankehitriny ka mahajemby ny masontsika indraindray tsy hahita na hahatsapa izany fitiavan’Andriamanitra izany koa aoka isika hitandrina fa lasa tahaka ireo Farisianina isika. Mazotoa àry mandalina finoana mandrakariva satria efa maro ireo fomba entin’ny Eglizy manampy antsika amin’izany ankehitriny mba tsy ho sakana tsy hahatsapantsika ny tena fitiavan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny asany izay hita taratra ao amin’i Jesoa Zanany.
Jesoa Tompo ô! Tena fitiavana Andriamantra ary asehonao aminay izany fitiavana marina izany. Ampio izahay hiaina mandrakariva izany fitiavana izany ka hahatsapa fa tinao ka entinay koa izany mitia ny hafa.